Edito

Mila tonga saina


  • Alarobia 02 Aogositra 2017

Maizina tanteraka ny fiainan’ny Malagasy amin’izao fotoana izao.


 Tsy hita intsony izay hanoharana ny fahorian’ny vahoaka Malagasy izay milomano tanteraka ao anaty fahoriana tsy roa aman-tany. Saika isan’andro ihany koa ny loza isan-karazany sy faty olona etsy sy eroa. Tsy ny vahoaka irery no migoka izany fa hatramin’ireo olona ambony heverina fa tsy mba ho voakitika aza dia toa tratry ny zava-doza sy fahafatesana mifono misitery. Mampametra-panontaniana hoe kapoka sa efa lahatra ho an’ny Malagasy mihitsy ity fahoriana efa mandifotr’olona ity? Tokony hahatonga saina ny rehetra izao zava-miseho izao hoe sao dia mba tokony hahatonga saina ny rehetra. Na ny fomba fiaina ho an’ny vahoaka tsotra na ny fomba fitantanana ny firenena ho an’ny firenena dia mila fahatongavan-tsaina, eny fa na ny fifandrafian’ny samy mpanao politika sy ny fiarahamonina amin’ny ankapobeny aza mila hitadiavam-bahaolana. Tsy hay anefa na mba hisy ho tonga saina ny amin’izany, ka hamela ny hambom-pony na hiziriziry amin’ny heviny hatrany. Iza tokoa moa no mahita na misy ambadika mihitsy izao zava-misy izao, fa toa misy ihany mantsy ny faly amam-paty, ka mirehareha ho mahavita azy sy te hampiseho fa mitsinjo ny Malagasy amin’izao efa fahoriana tsy roa aman-tany izao.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT