Edito

Mila tonga saina


  • Alarobia 09 Novambra 2016

Tsy fantatra intsony na mbola eto amin’ny planeta tany na any amina tontolo hafa mihitsy no misy an’i Madagasikara.Tsy misy zavatra mbamahafinaritra sy mahasondriana fa dia sorisory no iainana isan’andro.

 

 

Ny tsy manana moa efa sahirana, ny manana sahiran-tsaina sao misy mandroba..Ny mpanao tsolotra sy kolikoly efa izay mihitsy izy, ny tsy manao alaim-panahy ho roboka ihany ny farany.Izao aza lasa mampizara  fiarahamonina ny famonoan’olona amin’ny alalan’ny fitsaram-bahoaka ; efa tena very ilay fahendrena Malagasy manindarindra ny fifampiresahana, fifandeferana ary fihavanana.Dorana tahaka ny kisoa ny olombelona, dia zamy mitazana eo ny iray tanàna satria hono nanao ratsy io…Ireo manampahefana manankarena tampoka sy mandroba nyharem-pirenena anefa toa afaka miaina tsara sady tsy voatsaran’ny fitsarana no tsy tratry ny fitsaram-bahoaka.Mikorontana ny fiainana eto, asa hoe mbola misy afaka mandamina azy ihany ve.Ny tena marina dia tsy tokony hiandrasana fahagagana na Mesia tonga tampoka io fa ny Malagasy tsirairay mihitsy no mila tonga saina ka mahay mifandamina hametrahana fiaraha-monina mirindra ary maharesy tosika ny fifandirana mampahantra.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT