Edito

Mila tapa-kevitra


  • Talata 16 Aogositra 2016

Efa tsy re feo firy intsony ny SADC ka dia io fa miverina eto amintsika indray.

Tsy hiala sasatra i Joachim Chissano na tsy misy atao any aminy any fa misy antony manokana matoa tonga eo Madagasikara nanomboka omaly. Tsy takona afenina intsony ankehitriny fa mbola voasokajy ao anatin’ireo firenena mandalo krizy i Madagasikara ka mila fanaraha-maso. Mbola vary mangatsiakan’ny fitondrana Rajaonarimampianina ny fanohizana ny fampihavanam-pirenena. Nikatso mantsy izy io ary nikatso tahaka izany koa ny asan’ny filankevitry ny fampihavanana Malagasy (FFM). Asa na nihevitra ny filoha sy ireo mpiara-miasa aminy fa tsy laharampahamehana indray ny fampihavanana koa dia nampirimina mihisy aloha. Io iaraha-mahita isaky ny mihetsika io anefa ny mbola fisian’ny lonilony eto amin’ny firenena. Tsy mety tanteraka mihitsy hatreto ho an’ny Malagasy ilay hoe izay mitambatra vato. Fifandirana no hita isan’andro, ny mpanao politika no lohalaharana amin’izany, manaraka am-bokony fotsiny avy eo ny vahoaka. Tsy ny SADC na ny firenena mikambana no hanao fahagagana eto ka hampilamina an’i Gasikara, fa ny Malagasy mihitsy no mila manapa-kevitra hoe :aoka izay ny fihatsarambelatsihy, andao hiresaka mazava dia alamina ny zava-drehetra hahafahana mampivondrona ny hery handresena ny fahantrana.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT