Mila rivo-baovao ny firenena !

Isan’ny mitana ny sain’ny mpanara-baovao indrindra fa ireo mpanaraka


  • Alatsinainy 16 Septambra 2024

raharaham-pirenena ny mikasika ny fifidianana ben’ny tanàna ho avy io.

Betsaka ireo zavatra miseho izay toa maneho hatrany ny endrika politika mirefarefa. Asa ny fanasarotana na ny antsojay samihafa tokoa ve no vahaolana mahomby hahafahana miaro seza sy mahazo toerana betsaka sa ny fanatanterahana an-tsakany sy an-davany ny hetahetam-bahoaka sy ny fampandrosoana tena hita taratra amin’ny fiainany ? Ilàna teti-dratsy maloto maro samihafa ve raha tena hitan’ny valalabemandry fa tena miasa araka ny tokony ho izy sy tena mahafa-po ny fahefana mpanatanteraka ? Tsy adala ny Malagasy, fa fantany ny miasa sy ny mpanao tohatra fiakarana. Dia io fa mandeha indray ny fifanenjanana politika indrindra eo amin’ny hery roa izay efa nifanjevo tao anatin’ny 20 taona latsaka. Ho tonga hatraiza sy hanao ahoana indray ? Efa lalao na « match » fahaefatra io raha ampitahaina amin’ny baolina kitra satria satria nisy ny 2009, nandeha ny 2018 nilazana fa tsy hanaiky, nandeha ny 2023 mbola lalao maloto fa dia vitavita ho azy teo, dia io indray ihany koa ny 2024 nanehoana fa tsy hanaiky hatramin’ny farany satria resena ambony latabatra,… Ho tonga hatraiza ny tsy fanekena ? Mbola hifanao kiribiby sy didin’ny be sandry hatrany ? Toa mihisatra eo hatrany ilay politika, tsy misy fivoarany, vao mainka miharatsy,… Tsy politika hikatsahana ny soa ho an’ny Firenena fa toa lasa miorina amin’ny hambo-po sy lonilony lava, hany ka zary « film » efa nandeha araka ilay firesaky ny ankizy sisa iainana eto. Mila aim-bao ny politika sy fiainam-pirenena eto. Raha hilaza fa tsy niasa sy tsy nanao zavatra ireo mpanao politika na mpitondra na mpanohitra toa mbola manao faraheriny hitazonana na handrombahana fahefana, dia tsy fitiavana, saingy sao dia mba fotoanany amin’izay izao hialana tsimoramora amin’ny ampihimamba politika mba hiainan’ny firenena rivo-baovao kokoa?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT