Mila politika mampandroso amin’izay !

Roa andro sisa ananan’ireo kandida handray anjara amin’ny fifidianana ben’ny tanàna,


  • Alarobia 25 Septambra 2024

izay isan’ny tena manakaiky vahoaka indrindra, raha eo amin’ny firafitry ny vondrom-bahoaka

itsinjaram-pahefana eto Madagasikara. Manan-danja be izany kaominina izany, ary tokony hiainga avy eny ifotony eny ny fampandrosoana. Samy miandry ny rehetra hoe : hanao ahoana ? Inona no mety hitranga eo anatrehan’ny adihevitra samihafa raha tsy hilaza afatsy ny eto Antananarivo ? Ny ao anatin’ny 48ora farany no hamaritra an’izany sy hamaly ireo fanontaniana manitikitika ny maro. Amin’ny maha renivotr’i Madagasikara azy, isan’ny hiompanan’ny sain’ny rehetra hatrany ny hoe : iza ihany ireo kandida hifaninana ao anatin’izany ? Hiantefa amin’iza ny safidim-bahoaka amin’ity indray mitoraka ity ? Mba hiova amin’izay ny sary sa mbola hitohy ny dridrangilo politika tsy mety tapitra an-taonany maro ? Ny ho avy no hamaly an’izany fa dia liana sy miandry fatratra aloha ny olom-pirenena. Any amin’ny vahoaka ny fanalahidin’Antananarivo izay misedra olana marolafy mandavan-taona. Nifangaro tao ny olana ara-pitantanana sy ny olana ara-panabeazana ny besinimaro. Tsy ho vitan’olon-tokana ny fampandrosoana kaominina na firenena, fa tena miankina amin’ny vahoaka ao anatiny, mifototra amin’ny fanomezana toerana ny olombelona izay harena voalohan’ny firenena, ka miankina amin’ny fiaraha-mientana sy fifanomezan-tànana eo amin’ny mpitondra sy ny entina no hampahomby na tsia ny fampandrosoana. Maninona tokoa moa raha handeha hampirimina kely amin’izay ny adilahy politika sy ny politika politisianina mety ho tsy nampahomby hatrizay, fa tena ny politika mampandroso amin’ny alalan’ny fanomezana lanja ny soa hiombonan’ny renivohitra sy ny firenena no andeha hiaraha-mibanjina sy iaraha-manantanteraka e ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT