Mila olona hisintona azy miakatra ny vahoaka!

Miditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fampielezan-kevitry


  • Talata 19 Novambra 2024

ny fifidianana ben’ny tanàna isika manomboka anio. Vanim-potoana miavaka amin’ny

sehatry ny politika, andro indray hanehoana sy hanamafisana ny fahefan’ny vahoaka. Zava-dehibe izany amin’ny tany demokratika, ary isika moa sokajiana ao anatin’io na betsaka aza ny zavatra toa mampametra-panontaniana hoe : tena tany demokratika ve i Madagasikara ? Araka izay maha fampielezan-kevitra izay, dia « hevitra » no hahely, ary ny politika dia fomba fiasa sy fitantanana entina mampandroso ny tanàna. Asa na izay tokoa no làlan-tsaina nitondrana azy io teto amintsika na sanatrian’ny vava toa lasa fomba sy tetika hoenti-manabado vahoaka ka hikipiany eo anatrehan’ireo minia manararaotra ny fahalemeny ? « Ny kinga amin’ny politika dia kinga amin’ny fampandrosoana fa tsy amin’ny hafetsena. Tsy mila manao ratsy aho vao tonga amin’ny zavatra tsara», hoy ny kandida laharana faha-2 eto Tahina Razafinjoelina, izay mitondra rivo-baovao amin’ny fanaovana politika eto amin’ny Firenena ankehitriny. Inona moa ilay fametsifetsena misy eto ? Misy ny mivantana fa eo ihany koa ny ankolaka. Matetika rehefa fifidianana tahaka izao dia lasa misy endrika fividianana, fandomana tapany ny vahoaka handoa erany, fampanompoana tsangan’olona,… Zary lasa manahirana ny hafa ny mahita olona na antoko na mpanao politika mitarika ny sain’ny vahoaka hisokatra, mitarika ny olom-pirenena hivoatra, manabe sy mizara fahalalana ho azy, mizara fintana fa tsy trondro, tsy mamatotra vahoaka amin’ny kitolotolotra na zavatra tsy mahavita taona fa tena manome am-pitiavana tsy misy takalony ka handeha hanangona karapanondro na kara-pifidianan’olona,… Tsy mandoka olona na tsangan’olona raha miteny an’izany, fa misintona ny sain’ny vahoaka hahay hifidy, hijery mahitsy hoe : iza no mendrika fa tsy ho sodokan’ny endrika ivelany na fanangolena samihafa,… Efa tokony ho nahazoana lesona ny 15 na 20 taona lasa, ka tsy ho resin’ny fandemen-tsaina sy famendrofendroana satria tena any amin’ny vahoaka ny fanovana. Miara-dia vao mandresy fa tsy mandresy vao miara-dia !
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

Hijery ny tohiny
FTT