Edito

Mila mpanangana


  • Alakamisy 15 Oktobra 2020

Maromaro ihany izay mpanao politika sy mpitondra fanjakana teo aloha nanambara ny mbola tsy fitsanganan’ny firenena Malagasy izay.

 Tsy izy ireny ihany fa ny ankamaroan’ny manam-pahaizana toy ny mpahaifiarahamonina sy mpahaiolona dia saika heno ho nanamafy izany avokoa. Araka izany dia anarany fotsiny izany hatreto aloha izany atao hoe firenena Malagasy izany saingy ilay fototra maha firenena ny firenena dia mbola mila mpanangana azy. Efa mahaleotena tokoa ve ity Madagasikara ity na eo amin’ny lafiny toekarena io na eo amin’ny lafiny sosialy, eny, hatramin’ny lafin’ny kolontsaina sy politika? Azo antoka fa tsia no valiny matoa mbola anaty fahantrana lalina toy izao isika. Tsy vitan’izay fotsiny fa mbola mijotso manenjika ny laharana ariana indrindra ihany koa. Asa izay afaka hanamarina fa efa nisy firenena na fanjakana, araka izay fomba ilazana azy, nahazo ny fiandrianany vokatry ny fihetsiketsehana, mba tsy hilazana hoe werawera, sy teny am-panidinana fotsiny saingy tsy hita avy eo ny fanatanterahana azy. Mirirarira fotsiny ary hila ho tsy ahitan-teny mihitsy ankehitriny ny fitondram-panjakana, indrindra moa, ny filoham-pirenena mikasika ny fitakiana ireo nosy Malagasy. Isan’ny soatoavina tsy misy manana ankoatra antsika izany Fihavanana izany saingy na ny avy eo anivon’ny komity napetraka hamerina azy aza miaiky fa miha very izy io. Ity komity ity izay miady ankehitriny ny hametrahana izany ho isan’ireo vakom-pirenena ka hatramin’ny vakoka iraisam-pirenena saingy etsy ankilany anefa ireo mpitondra iriana itarika azy io toa vao mainka te hanome hafatra an-kolaka izany fa mbola hanohy ny fifanenjehana eto amin’ity firenena ity? Tsy hita tamin’ny fotoana nanandratana ny rain’ny demokrasia ny filoham-pirenena sy ny praiminisitra. Na ny tanan-kavanan’ilay nametrahana fatsiarovana aza nanavan-tena tsy hiray seza tamin’ireo solontenam-panjakana tonga teo Ambohijatovo. Asa hoe rahoviana aloha vao hisy fahagagana fa mila mpanangana avokoa ireo endrika faharavana.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT