Mila mpampiombona e !

Iaraha-mahalala fa malagasy misaraka, mba tsy ilazàna hoe malagasy mipatitaka,


  • Zoma 30 Aogositra 2024

no nateraky ny toe-draharaham-pirenena nanomboka ny taona 2009 no ho nankaty.

Rehareha nanomboka teo ny fananana loko politika. 16 taona aty aoriana isika izao dia mbola loko politika miisa 2 hatrany no mibahana ny mba antsoina hoe tontolo politika eto Madagasikara. Solombavambahoaka izao no tsy manan-kolazaina afa-tsy hoe na ianao TIM na ianao volomboasary. Fanehoan-kevitra politika, hono, no anaran’izany. Efa nazavaina tamin’ny fomba faran’izay tsotra teto moa ny hoe inona moa izany antsoina hoe politika izany na koa hoe inona no atao hoe politika? Tsy iverenana lavabe intsony fa fehezina amin’ny hoe fitantanana fiarahamonina, firenena, izao tontolo izao mihitsy na koa hoe fikatsahana izay mahasoa izay ao anatin’ny atao hoe fiarahamonina rehetra izay mihitsy no atao hoe politika. Eto amintsika nefa dia tsy misy afa-tsy fifanandrinan’ny mpanao politika sy fampifanandrinan’izy ireo ny mpiaradia aminy avy no asongadina ao anatin’ny atao hoe tontolo politika malagasy. Tsy misy fanontaniana miverimberina ankoatran’ny hoe ahoana no atao ahazoana fitondrana na toerana anaty fitondrana? Dia iny indray koa izany fa hoe hisy hery fahatelo hiditra hitondra fisamatsamahana vaovao hafa indray ankoatran’ilay miisa 2 efa mankaleo teo hizarazarana hatrany ity fiarahamonina eto Madagasikara ity. Tsy fotoana tokony hitadiavana izay hampiombona amin’izay ve izao fotoana izao, raha ny mikasika ity Madagasikara ity no resaka? Baraingo isan’ny mipetraka amin’izao fotoana izao ny hoe fa maninona ireo haino aman-jery any amin’ny tany mandroso no milaza ny hery politika misy ao aminy hoe hery ankavia, hery afovoany, hery ankavanana? Na ireo haino aman-jery frantsay, izay fatra fanaontsika filamatra eto aza dia manasokajy ny hery politika any amin-drizareo ho izany koa. Tsy ireo haino aman-jery ihany moa fa ireo hery politika samihafa ao sy ny olompirenena nomena izany atao hoe tena fanabeazana politika izany koa saingy ny mahagaga dia hoe maninona no rehefa i Afrika no resahany dia ampiasaina ny voambolana hoe mpanohitra sy fanoherana na «opposant» sy «opposition» sy ny mpanohana na «partisans»? heverina fa fampizarazarana niniana ho natao lalim-paka no antony ary tokony hahatonga saina ny afrikanina toy ny malagasy ankehitriny fa efa mila mpampiombona amin’izay izao ity firenena ity sy ity Afrika ity fa tsy mila mpampizarazara intsony raha te handroso marina!
J. Mirija 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

Hijery ny tohiny
FTT