Mila misiki-ponitra

Mbola ao anatin’ny vaninandro fety isika amin’izao fotoana izao.


  • Alarobia 27 Desambra 2023

Vita ny krismasy dia miditra amin’ny fetin’ny faran’ny taona sy miomana handray ny taona vaovao.

Fotoana hanaovana tombana sy hametrahana fanamby ho an’ny taona vaovao izao. Tsy vitan’ny maniry manitra tahaka ny alike miambozon-koditra anefa, tsy vitan’ny manonofy sy manantena fahagagana,… fa tena mila misiki-ponitra satria tsy mihamora fa mihasarotra ny zava-misy. Tsy afaka tena hanantena na iza na iza fa ny fahaizan’ny tsirairay mametraka sy mamolavola paikady hahafahany mahita vokatra tsara kokoa no zava-dehibe ao anatin’izany. Raha mijery ny lafiny politika sy ny fitantanana ny firenena mantsy, toa mahakely finoana ny hisian’ny fahagagana. Ny taom-piasana sy ny taona no miova fa ny fomba fiasa to any omaly tsy miova tahaka ny volan-kakafotra. Ny fampanantenana no mitosaka fa ny vokatra tsy misy. Ny olan’ny firenena efa nisy tany amin’ny 10 na 5 taona lasa no vao mainka mihamafy fa tsy mba mihatsara raha tsy handray fotsiny afatsy ny delestazy, ny sandam-bola, ny fakon’Antananarivo, ny vidim-piainana. Zary sarontsaronana amin’ny politika sosialy ho ana ampahan’olona ampifaliana sy zarazaraina zavatra tsy dia manao ahoana fa ny ho avy ao anatin’ny dimy taona tena manjavozavo tanteraka. Ny mpitondra no tokony ho mpanalalana sy mpanamora ny fiharian’ny vahoaka, ny mpandraharaha, ny famoronan’asa ho an’ny tanora,… saingy malaza tsy tena misy fanantenana firy azo antenaina. Teo aloha nolalaovina tamin’ny velirano 13 izany hoe: betsaka kokoa ny zavatra nambara fa ho tanterahina ka mby aiza sy firy isan-jato ny vita? Tena nivoatra ve ny fiainan’ny Malagasy sa miha mitotongana? Izao indray no isa 3 no lalaovina sa mba kelikely amin’izay mba mora tanterahina kokoa? Tsy sanatria maniry ratsy ho an’ny firenena fa tena mila misiki-ponitra ny rehetra fa tsy afaka ny hanantena sy hitavandra zavatra tsy dia manao ahoana tahaka io fampilaharana ny olona ho lasa androrosy lava io!
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT