Mila miova raha te hanova!

Samy maniry ny fiovana ho


  • Zoma 31 Oktobra 2025

an’ny Firenena mipaka amin’ny fiainan’ny

isam-batan’olona ny vahoaka Malagasy. Tsy misy anefa fahagagana, fa tena miainga amin’ny finiavana avy amin’ny rehetra. Mitaky mpitondra mahay sy mahalala ny tena filan’ny Firenena, fa tompon’andraikitra feno ihany koa ny isam-batan’olona. Misy toetra, fihetsika, fanao, fahazaran-dratsy,… mila miova sy diovina tanteraka satria isan’ny sakana sy fositra ho an’ny fiovana. Firenena inona ohatra no handroso ao anatin’ny fahapotehan’ny toe-tsaina sy fitotonganan’ny fanabeazana sy ny fampianarana? Hisy fahagagana ve raha tsy manam-pahalalana sy fahaizana fototra mikasika ny Fireneny akory ny tanora maro ? Hanantena inona raha ireo heverina ho tanora antoky ny hoavin’ny Firenena no miezaka mihazakazaka mitady làlana ho any ivelan’ny Firenena satria tsy mahatsapa ny lanjany, tsy mahatsapa sy tsy mino fa hanana anjara masoandro mamiratra eto? Tsy hisy fampandrosoana vanona raha tsy mahay mitia ny tanindrazana sy manaiky fa afaka mandroso amin’ny fitokisana ireo manam-pahaizantsika isika, manana fitokisana amin’ny tenantsika sy ny Firenentsika, ny harenantsika,… Tsy hoe hiolonolona eto sy tsy mila vahiny, fa mila mahay maka lesona tamin’ny fahombiazany sy mampihatra izany amin’ny fomba mahomby eto amintsika, fa tsy haka tahaka be fahatany. Mila manova toe-tsaina, toe-panahy,… fa tsy hiaina ao anatin’ny fahalovana sy ny kolikoly lava. Mila vahoaka miasa, mamokatra, fa tsy hiandry tolorana toy ny politika sy fitantanana mamohehitra teo aloha. Mila Malagasy mifamelona fa tsy mifampisintona midina. Mila mpitondra olon-kendry sy mandala fahamarinana. Mila mpanao politika sy mpitondra tena midodika any amin’ny fikatsahana ny soa iombonana, mpitarika fitaratra amin’ny fahendrena sy fanompoana vahoaka,… Fanirian’ny Malagasy maro an’isa izany, izay mety hisy ny hilaza hoe : sarotra ny manarina ny fahapotehana marolafy : toe-tsaina, toe-karena,… kanefa tsy misy zavatra ho vita sy handeha raha tsy atomboka. Fotoana izao hametrahana fototra sy tondrozotra makany amin’ny fanovana, ka irariana mba tsy ny olona fotsiny no niova, fa fanao ratsy mitoetra hatrany !
Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

  • Mamafy rivotra !
  • Zoma 11 Septambra 2026

Fomba firesaka ifandovan’ny

Hijery ny tohiny
FTT