Edito

Mila mijery fitaratra


  • Talata 09 Martsa 2021

Herinandro vaovao hiandrasana izay ho tohin’ny fivoaran’ny toe-draharaha ara-politika taorian’ny

 hetsika nafampana ny faran’ny herinandro lasa teo no hitsahintsika amin’izao. Mankaiza sy inona ihany no hiafarany. Ny ankilany maneho, fa vao famakiana atody iny, ary mitohy ny tolona. Ny andaniny miziriziry amin’ny heviny sy manasokajy izany ho asa fanakorontanana. Izay mandeha any ambadimbadika sy fifampiresahana tsy ofisialy any ho any tsy hay, fa raha ny zava-misy hita sy iainan’ny besinimaro aloha, dia tsy tena mbola hita taratra ny finiavana hifampihaino. Miziriziry ho manana ny rariny, manana ny tanjaka, manana hery sy ny fahefana. Fomba firesaka matetika ny hoe: hajao ny safidim-bahoaka, mahandrasa fifidianana,… Fa moa ary ve ny nametrahana ny Fitondram-panjakana eo amin’io toerany io hoe: indro ny fahefana ka ataovy izay danin’ny kibonareo revorevon’ny sainareo? Raha resy lahatra amin’ny vina sy fampandrosoana ambara fa efa ataon’ny mpitondra ny vahoaka maro an’isa tsy hisy olona ho voasariky ny mpanohitra fahatany eo. Matoa anefa mikoropaka, mamoaka basy aman-tafondro isaky ny mihetsika, dia mampiharihary ny tsy fahatokisan-tena sy tsy fahatokisana valera. Tsy afaka ny hirehareha amin’ny hoe voafidim-bahoaka, ary tokony ho tsaroana ny elanelam-bato tamin’izany. Na inona na inona resahina sy serasera atao, nihena fa tsy nitombo ny taham-pahanohanan’ny mpanohana ny mpitondra ankehitriny noho ny antony maro ka isan’ny goavana ny fahadisam-panantenana. Tsy voatery hahomby foana ny fanaovana bemarenina satria eo am-pelantanana ny fahefana sy ny basy aman-tafondro. Mety ho poizina hiteraka fahadison-kevitra sy fahatokisan-tena tafahoatra ny fianteherahana amin’izany. Mila maka lesona foana sy tena mila mijery fitaratra amin’ny natao hiatrehana ny mbola hatao.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT