Mimenomenona ireo mpanao politika efa ela nietezantsika rehefa ataon’ny naman’izy ireo hoe dinozaoro kanefa ny fihetsika sy ny resaka atao dia mbola mirona any amin’ny fiezahana ny famerenana ireo fitantanana efa tsy nahomby tamin’ny fotoan’andron’izy ireo hatrany
. Herintaona latsaka kely sisa izao no andrasana, raha ny tokony ho izy, hirosoana amin’ny fifidianana rejionaly eto amintsika. Ny mahagaga dia amin’izao fotoana izao no misy olobe teo amin’ny tontolo politikantsika mbola manolo-kevitra ihany fa anisan’ny vahaolana amin’ny hisian’ny fifidianana mangarahara ny fandatsaham-bato amin’ny alalan’ny fitaovana elektronika. Dia tsy mba manara-baovao ve na farafaharatsiny na atoron’ny mpanolotsaina azy ireny ry zareo mpanao politika tranainy ka tsy ahalala fa etazonia izay anisan’ny firenena matanjaka eto ambonin’ny tany dia nampiasa io fomba fandatsaham-bato lazainy io tamin’ny fifidianana filoham-pirenen’izy ireo farany teo ? Na dia efa niomana fatratra tamin’ny fikarakarana aza anefa ny tany an-toerana dia ahiana mafy amin’izao fotoana izao ny fisian’ny fangalarana tamin’iny fifidianana iny. Mainka moa fa isika efa ambivitry ny 2018 izao. Mila manokana fotoana fohy isan’andro mihitsy isika mianakavy angamba aloha hijerena fitaratra kely dia samy manontany ny tenany avy hoe inona moa no mba efa vitako nanasoavana ity fireneko ity mialoha ny itenenana satria efa ho 60 taona isika no nahaleotena saingy nahantra foana ary dia maro tamin’ireo nandray anjara tamin’ny fampahantrana no mbola manolotra vahaolana manahirana toy izany hatrany.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.