Edito

Mila mibebaka ?


  • Zoma 14 Febroary 2020

« Rehefa mety ny atao, dia ny soabakaka aza mampidi-dranon-ketsa, fa rehefa tsy mety ny atao,

 dia ny ranon’apango aza misy voay », hoy ny ohabolan-drazantsika. Dia asa re fa toa izay no fandehan’ny raharaham-pirenena ankehitriny. Hita ho mampiseho ezaka ihany ny fitondram-panjakana, te hanao zavatra tsara, te hikosoka tantara eo anatrehan’ny zavatra nanaratsy endrika azy,… Toa miiba hatrany anefa ny vokatra amin’ny ankapobeny, ary miseho hatrany ireo toe-javatra toa manaratsy endrika ny mpitondra. Hatramin’ny kabarin’ny filoha aza, toa tsy nandeha amin’izay laoniny ary lasa adihevitra be satria toa lasa ozona ho an’ny firenena. Zo fototra, hono, ny tsy fanjarian-tsakafo, raha adika amin’ny fiteny Malagasy ilay nambara. Izay tokoa ilay hoe ny teny diso tsy mba kabary. Tsy vao izao anefa no nisy zavatra nambara na nampanantenaina niteraka adihevitra satria maro ny zavatra nifanipaka hoe: hafa no lazaina anio, ary mety ny mifanohitra amin’iny no miseho rahampitso. Mety ho tsy fanahy iniana, fa baikoan’ny fihetseham-po, indrindra moa fa rehefa vory vahoaka iny. Tsy kilalaon-jaza anefa ny fitantanana ny firenena. Ireny fahadisoana kely ireny mitambatra no mety hanome vahana ny tsy mitovy hevitra. Tsy fitia te hanakiana, fa mahatonga ny maro hieritreritra sy hiteny hoe: lojika marina raha nitady “cerveaux”. Te hanao zavatra be, te handeha mafy amin’ny heverina fa fampandrosoana, te hampiseho endrika tsara,… kanefa izay atao toa maneno sahona. Asa inona loatra re no antony? Mila mandini-tena ihany, mila fanentren-tena,… Eny mila fibebahana mihitsy aza angamba! Tsy izay miteny dia sokajiana ho fahavalo avokoa, fa mila mifampihaino. Firenena iaraha-manana ity, fa ny fomba fijery hoenti-mampandroso azy no tsy mitovy. Fohy izay herintaona lasa izay, saingy mety afaka hitsarana ihany ny vary hamokatra sy ny hanakofa. Akoho tsy naneno ohatran’izay mety efa lanin’ny kary, ka mila mandinika amin’ny tokony hatao na hanintsiana ny dia ihany eo anatrehan’ny fahadisoam-panantenan’ny olom-pirenena.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

Hijery ny tohiny
FTT