Mila mianatra!

Na hanananao daholo aza ny volabe sy materialy


  • Alarobia 05 Martsa 2025

tena ilaina sy haitraitra rehetra dia tsy misy ilànao izany rehetra izany rehefa tsy

hainao akory ny mampiasa azy araka ny tokony ho izy. Anatra nataona mpandinika iray izay lasa manohana ny fitondràna ankehitriny izany ary mazava ho azy moa izany fa tena nahagaga ny antony nijoroan-dranamana hanohana izao fitondràna izao ankehitriny. Naman’ny natsipy teny am-baravarakely iny ny 77 tapitrisa Dolara nanitarana ny kianjaben’i Mahamasina hoe mba ho tonga manara-penitra. In-3 niantaona izy ity tsy nety nahazo fankatoavana satria samy manana ny atao hoe manara-penitrany ny rafitra iraisampirenena toy ny kaofederasionina afrikanin’ny baolina kitra na CAF sy ny fitondràna Rajoelina. Tezitra ny tandapa sasany rehefa manontany ny vahoaka madinika hoe hihinanam-bary ve io sy itony teleferika miantona eto Antananarivo eto itony fotsiny? Tena tsy hihinanam-bary ara-bakiteny tokoa tsinona ilay izy no voaporofo hatreto fa tsy mbola nisy nety nitondra soa ho an’ny fiarahamonina malagasy aloha. Nampiditra ohatrinona tanaty kitapom-bolam-panjakàna ireo sy ny fotodrafitrasa hafa efa tafatsangana hatramin’ny tetezamita 2009-2013? EPP manara-penitra, araka ny famaritan’izao fitondràna izao azy, hopitaly manara-penitra, lisea manara-penitra, fonenana manara-penitra sy izay lazaina fa manara-penitra hafa rehetra, inona no fandrosoana nentin’izany teo amin’ny fari-piainan’ny vahoaka malagasy no ankehitriny lasa voafaritra ho firenena faran’ny mahantra isika ary 30%n’ny mponina no voalaza fa hiharan’ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka? Voamarina manoloana ny toe-draharaha ankehitriny tokoa ny nambaran’ilay mpandinika hoe mila mianatra isika mianakavy. Tsy ny vahoaka malagasy ihany fa ny mpitondra indrindra koa. Mila mianatra hoe inona no atao hoe marina moa ity atao hoe fandrosoana ity? Asa! Mila ianarana koa angamba hoe inona no atao hoe malagasy? Inona no tena andrasan’io malagasy io amin’ny mpitondra azy? Mila mianatra!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT