Edito

Mila miala sasatra


  • Talata 21 Febroary 2017

Tsy moramora ny mitondra firenena. Ekena tokoa izany. Na mety na tsy mety ny rafitra apetraka dia mitombina foana io teny io.

Izany indrindra no antony tsy maintsy ilana ny fihainoana sy fisaintsainana ny hevitry ny hafa mba tsy hisian’ny fanapahan-kevitra mandeha ila sy mahasorena ny mpiara-monina avy eo. Efa hita izao fa miha manahirana hatrany ny mandrindra ny fifamoivoizana eto an-tanàn-dehibe satria mitombo ny fahasahiranana sy ny isan’ny mponina. Vahaolana ve ny fampidirana fiarabe fitateram-bahoaka vaovao sy manaraka ny tekinolojia kanefa tsy hita akory izay vahaolana ahafahana mampihena ireo fiara mifamoivoy eto Antananarivo amin’izao 1 taona mahery kely tsy hifaranan’ny fitondrana ankehitriny izao ? Laharam-pahamehana mihoatra ny fitadiavam-bahaolana hampihenana ny vidim-piainana sy ny fanalalahana ny lalana na arabe ve ? Tsy hifanomezan-tsiny loatra intsony moa ny fikorontanan-tsaina amin’izay resaka fametrahana ny tokony ho laharam-pahamehana izay eto amintsika satria efa zary kolontsaina nifandovan’ny mpitondra nifandimby koa angamba ity fisehoana ivelany tsy azo antoka hitondra fampandrosoana ity. Mila miala sasatra ihany ny saina indraindray mba hahafahana mandinika ny tokony hatao.

Mirija   

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT