Edito

Mila miala anaty rindrin’efatra!


  • Alakamisy 17 Aogositra 2023

Zary lasa fandemen-tsaina mitady ho raiki-tapisaka amintsika Malagasy sasany ny hoe: rehefa tsy mandeha amin’ny fanaon’ny olona,

tsy mizotra amin’ny làlana sy fomba fiady politika mahazatra,… dia tsy ho tafavoaka, tsy ho tody amin’ny tanjona. Hita taratra io amin’ny fomba fanehoan-kevitra ara-politika samihafa, amin’ny fanatsatsoana sy ny fandemen-tsaina,… Misy ny efa manana izay fomba fijery raiki-tapisaka izay, ka amin’ny fifidianana ohatra, dia betsaka no milaza fa rehefa tsy Rakoto na Rabe, dia tsy ho lany, hanary vola, hampizara vato,… Tsy hifanomezan-tsiny satria izay no mety nitezana antsika, izay no mety tafalentika tany anaty tsikalakalam-pieritreretan’ny sasany amintsika. Sarotra tokoa ve ny miala amin’ny mahazatra na mety ho tsy dia mitondra fahombiazana aza? Tsy resaka olona no tiana hambara eto, fa any amin’ny resaka hevitra sy fijery hoenti-manasoa ny firenena mihitsy. Mety ho sarotra ny miala amin’ny lasi-tsaina mahazatra, ny fomba fiady efa raiki-tapisaka,… ka zary milentika an-tsain’ny olona fa vao miova làlana, dia vao mainka mizotra makany amin’ny tsy fahombiazana. Andeha mba horaisina amin’ny heviny miabo indray satria raha te ho tonga amin’ny tanjona, dia ny fiovana amin’ny làlana mahazatra no isan’ny antoka hahatongavana amin’izany. Andeha tsy hotsatsoina ireo olom-pirenena efa miezaka manokatra sy mampivelatra ny fomba fijery satria firenena iaraha-manana ity. Tsy sanatria hanary ny zava-drehetra teo aloha, fa ny fitantanana firenena mitohy foana fa ny fomba fiasa sy ny laharam-pahamehana no mety ho samihafa. Tahaka izany ihany koa ny paikady hoenti-manatratra ny tanjona. Tsy misy olona handeha hirotsaka hofidiana ho Filoham-pirenena ka handeha hamotika ny firenena no tanjony, fa mety any anaty fahaiza-manao sy fomba fiasa hanatrarana izany no samihafa. Mila manakotra ny fijery isika, ka andeha tsy hojerena amin’ny endrika ivelany, ny tsangan’olona, ny laza ara-politika,… fa tena ny hevitra, ny paikady, ny fahaiza-mamantatra ny kandida tarafina amin’ny maha izy azy, ny zavatra efa vitany sy nataony sy ny mety mbola hataony,… ka tsy hogejaina ao anaty rindrina efatra hatrany, ka hoentina fotsiny amin’ny fanompoana tsangan’olona na loko, fa tsy vinam-piarahamonina hoenti-manavotra firenena.
Toky R 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT