Mila miala amin’ny fahantrana ara-tsaina !

Ny fifidianana indray aloha izao no tena mahaseriny sy handanian’ny


  • Alakamisy 29 Aogositra 2024

mpitondra sy ny mpanohitra rondoha. Mandeha ny adihevitra sy ady varotra samihafa,

tonga hatramin’ny famoahana vava tsy ambina. Ny tombotsoa politika no harovana, ka tsy an-kitsitsy fitenenana, ary samy milaza azy ho manana ny marina. Mbola hafana hatrany noho izany ny fifanandrinana politika aoriana kely satria samy hanao izay tratrany handresy lahatra ny olom-pirenena, mba hahazoana fahefana,… Ny mety ho kajikajy sy tetikady samihafa na ny politika avo lenta any ambadika any tsy ferana. Izany ny an’ny mpanao politika, fa ny vahoaka madinika kosa toa difotry ny fahasahiranana, betsaka no zary lasa kivy sy tofoka amin’ny politika, miraviravy tànana amin’ny raharaham-pirenena,… vokatry ny fahadisoam-panantenana isaky ny miodina. Toa atao kely tsy mba mamindro ka ny vatony no ilaina, fa rehefa vita ny fifidianana, dia tratry ny tsipa-doha lakana nitana, hany ka adino tanteraka. Tsy misy tamberin’andraikitra, tsy misy fanjakana tsara tantana, tsy misy fijerena ny tena mahasoa ny vahoaka,… Zary atao fitaovana sy habadoina hatrany ny Malagasy, lemena tsy ho afaka hikofoka hanohitra ny tsy mety, tambazana zavatra tsy mankaiza dia lasa mihomby ny olona tokony hohalavirina. Ny fahantrana ara-materialy efa tsy takona hafenina intsony fa miharihary ary mitombo hatrany ny tondro : tahan’ny fadiranovana miakatra, kolikoly miakatra hatrany, fanjakana tsy tan-dalàna miitatra, vidim-piainana midangana, sandam-bola mitotongana, toekarena rava,… fa tena potehina ara-toetsaina ihany koa isika mba tsy hahatakatra intsony fa mbola azo atao ny mivoatra, mba tsy hisaina fa tokony hotoherina izao fampahantrana manara-penitra izao, mba hanaiky lembenana fa ny mpitondra tsy mba meloka fa afaka izay danin’ny kibony,… Betsaka ny maniry ny Malagasy ho bado sy badraodra mba hahafahana manambaka azy, hahafahana mandroba ny taniny. Tsy mila fari-pahalalana be na fianarana avo lenta ny fanakarana izany, fa ny rehetra no mila tonga saina sy mifoha tsikelikely, mba tsy ho atao kely tsy mba mamindro lava eto.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT