Edito

Mila maso vaovao


  • Talata 22 Desambra 2020

Samy efa nilaza avokoa ny ankamaroan’ireo herivelona rehetra misy eto amin’ity

 

firenena ity fa rafitra nolovaina tamin’ny mpanjanan-tany no mbola iainana eto. Na ny fomba fisainana sy fampiharana ireo lalana koa aza dia tsikaritra ho mbola misy izay tarazo maha voazanaka izay mba tsy hilazana hoe nandevozina sy nalemena saina. Na izany demokrasia izany aza tsy antsika fa mbola nolovaina tamin’ny vahiny koa, hoy ny solombavambahoaka iray izay. Hatreo fotsiny dia fanontaniana maro no tsara apetraka. Voalohany indrindra ny hoe tsy efa hita fototra ve izany ankehitriny ny antony mahatonga antsika ho mbola miady gisitra amin’ny firenena rehetra ambonin’ny tany mandrak’androany? Rahoviana ihany ary hipoitra avy aiza ny tena famerenana ny maha izy azy ity firenena ity? 11 taona izao no tsy nahalalan’ny ankamaroan’ny valalabemandry afa-tsy fomba fijery politika miisa 2 monja dia ny hoe rehefa tsy Mapar dia TIM. Rehefa tsy mpanohana dia mpanohitra. Tsy dia any loatra aza no tena olana fa ilay fiheveran’ny andaniny hoe diso daholo izay lazain’ny ankilany ary ny ankilany koa izay manao toy izany amin’ny andaniny. Hita ho mila maso vaovao tokony ho volena amin’izay kosa angamba eo amin’ny olompirenena tsirairay mba tsy ho zary fitaovan’ny mpanao politika sasany izay toy ny mody miady sy zary mampifandrafy vahoaka indraindray. Ny stratejian’ireo mpitondra hanaovana asa fampandrosoana amin’io ny teo ihany no teo kanefa efa an-taonany maro no tsy nahomby. Io izao ny resaka fako eto an-drenivohitra fa arangaranga hatrany ny sazy ho an’izay tsy manaja ny fotoana tokony hanariana izany kanefa mbola tsy afaky ny tomponandraikitra foana ny efa eo hatramin’izao. Resaka sazy sy fampiharana lalana hatrany no voizina fa ny tamberin’andraikitra avy amin’ireo tena nofidiana hanatanteraka izany mampametra-panontaniana hoe aiza? Voatery tsy maintsy ho mpanohitra ve vao tokony sy afaka mitsikera ireny rehetra ireny ?

 J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT