Edito

Mila manova tanteraka


  • Talata 11 Jona 2019

Fitenina Malagasy maro matetika moa ny hoe mila manova toe-tsaina isika.

 

Torohevitra izay sarotra tanterahana indrindra eto ambonin’ny tany io ary matetika aza dia ireo olona tena mpanome ny torohevitra no voalohany amin’ireo tsy mahatsapa tena fa tokony hiova ihany koa. Tsy ny lafiny politika ihany no ahitana an’io fa ny lafiny rehetra mihitsy. Iny izao resy ny ekipam-pirenen’ny baolina kitra dia voambolana ny hoe tsy mahay na hoe tokony ho ranona no nampanaovina. Rehefa mahomby indray dia  hoe vintana. Tsy afaka ny hanao jery miabo mihitsy ve ? Eo amin’ny lafiny politika moa dia rehefa tsy mahay ny mpitondra ho an’ireo izay tsy nifidy azy fa ho an’ireo izay nifidy kosa dia mety foana ny ataon’io fitondrana io na dia efa tazana izao fa mitantana ho any an-kady. Efa mba nametra-panontaniana ve isika olompirenena hoe inona no nataoko ho an’ity fireneko ity, toy ilay fehezantenina filoham-pirenena amerikanina iray izay ? Fa maninona moa isika no tsy an-dalam-pandrosoana intsony fa an-dalam-pihemorana lava ? Mahay mifamelona ve isika sa miha mifanohitra amin’izay ? Mila manova tanteraka amin’ny lafiny rehetra kosa angamba fa tsy toe-tsaina ihany.

J. Mirija 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT