Edito

Mila manova filalao !


  • Alakamisy 18 Oktobra 2018

“Ndrao diso fahavalo isika ?”, hoy ny kandida ho filoham-pirenena iray izay.

 

 

 

Andeha tsy tohizana ny tohin’io fehezanteny io satria na dia izay fotsiny aza dia midika ho zava-dehibe. Mety azo tohizana io hoe ny vahiny mpangoron-karena no tena fahavalontsika. Mety koa hoe ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Mety hisy hanohy koa hoe ny firenena izatsy na izaroa saingy ny azo antoka sy hiaraha-mahita aloha dia hatramin’izao isika Malagasy dia tsy mahaleotena foana amin’izay rehetra raha ny mikasika ny fanapahan-kevitra mivantana mahakasika ny firenena no lazaina. Ny CENI miandry sy mandray ireo karazana fanampiana avy any Dilambato vao hoe afa-mihetsika, hono. Olon’ny fianakaviambe iraisampirenena koa, raha ny malaza hatramim-boalohany ny praiminisitra. Dia asa inona koa ? Ny tian-kiaviana dia hoe tsy ny fifandraisana amin’ny vahiny na ny diplaomasia akory no ratsy fa miankina amin’ny fahaizana azy no mahatsara na maharatsy azy. Mbola mafana amin’izao fotoana izao ny tontolon’ny baolina kitra Malagasy. Tsiahivina fa frantsay ny mpanazatra ny ekipam-pirenentsika. Ry zareo frantsay aza moa tsy hay na mirehareha na manana tanjona hafa, izay azo antoka fa ho an’ny tombontsoan’izy ireo, dia milaza fa noho ireo mpilalao avy any amin’izy ireo, hono, no nahazoantsika fandresena. Raha vazivaziana zary tenany izany ny tsikeran-dry zareo mpanao gazety frantsay dia azo lazaina ho samy nahazo na ilay antsoin-drizareo hoe “gagnant gagnant” isika, amin’ny maha afrikanina antsika, sy izy satria saika afrikanina avokoa no mameno ny ekipam-pireneny. Mila fitandremana sy fahamailoana koa anefa ny tranga toy izany sao sanatria fampisaraham-bazana amin’ny endriny vaovao, ohatra. Toy ny mbola fivoizan’ny sasany amin’izao fa misy kandida ho filoham-pirenena an’ny faritra izatsy na izaroa. Mila manova filalao sy fahazarana raha te handresy, indrindra, rehefa fantatra efa ela toy izany ny paikadin’ireo mety ho fahavalom-pirenena. Anisan’ny nahatonga antsika ho mpandresy teny Vontovorona io.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Na izany aza… !
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka fivoriana ara-potoana

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

Hijery ny tohiny
FTT