Edito

Mila mangarahara


  • Alatsinainy 30 Mey 2016

Tsy misy fanampim-baovao intsony ny firosoan’ny fanadihadiana taorian’ny fisavana ny tranon’ny senatera Lylison sy ny mpandraharaha Mamy Ravatomanga.

Ny hany fantatra dia tena miasa mafy mikaroka azy mirahalahy ireto ny mpitandro ny filaminana. Azo anaporofoana izany ny fanamafisana ny fisavana amin’ireo toerana rehetra mivoaka ny lalam-pirenena eto Antananarvo nanomboka ny zoma lasa teo. Efa mazava ny resaka fa raha vao mipoitra dia tsy maintsy halaina am-bavany eny amin’ny zandary izy ireo, ary tsy miafina intsony ny resaka fa mahakasika fikasana hanakorontana eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Ny fanontaniana mbola manitiitika ny sain’ny maro hatreto moa dia ny hoe :tena izay marina ve ilay izy ? Nisy fikononkononana hanakorontana sy hanongam-panjakana marina ve sa ambadika politika no tena anton’izao zava-drehetra izao ? Olona niara-niasa ihany mantsy ny filoham-pirenena ankehitriny sy ireto namoahana didy tsy mahazo mivoaka an’i Madagasikara sy karohana fatratra ireto. Ankoatra izay, miandry ny mangarahara ny olona fa tsy avy eo mangina ho azy indray ny fanadihadiana. Rariny sy hitsiny raha atao fanta-bahoaka ny marina miketrika fanonganam-panjakana lava eto. Tsy maintsy mampiseho porofo tsy azo iadian-kevitra momba izany ny mpitandro ny filaminana ary alefa avy hatrany ny raharaham-pitsarana satria melohin’ny lalàna ny fanakorontanana ny fiainam-pirenena sy ny fanonganam-panjakana. Efa nahazatra tao anatin’ny tetezamita sy nandritra ity repoblika faha-4 ity ihany anefa ny fanaovana sinema ka ao ny mody miady, dia misy koa ny mody mihavana.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT