Mila mandray lesona !

Mbola ifantohan’ny sain’ny rehetra ny raharaham-pifidianana ben’ny tanàna.


  • Talata 17 Desambra 2024

Niarahana nahita sy niaina ny zava-misy, indrindra ho an’ireo olom-pirenena tena nandray anjara mivantana.

Na tiana na tsy tiana, tena iankinan’ny fiainam-pirenena ny safidin’ny tsirairay na ny nandeha nifidy na ny tsy nandeha, na ny latsa-bato natao,… Na izany na tsy izany aza anefa, nandresy lavitra ny tahan’ny tsy fandraisan’anjara satria tena mbola manodidina ny 60 sy 70% hany ka zary lasa manome vahana ny hosoka sy ny hala-bato. Mila maka lesona ny rehetra hoe : nahoana ny olom-pirenena no lasa miraviravy tànana tsy rototra amin’ny fifidianana sy ny raharaham-pirenena indrindra fa ny tato anatin’ny 15 taona farany ? Betsaka no antony toy ny fanatsimbadihana hatrany ny mety ho safidim-bahoaka, fahadisoam-panantenana amin’ny afitsok’ireo mpanao politika, leo sy tofoka hatao tohatra fiakarana kanefa tsy misy zavatra miova ary vao mainka aza miharatsy,… Tsy vahaolana anefa ny fahakiviana, fa vao mainka tokony hahafahan’ny rehetra maka lesona aza ny zava-misy hoe : voafitaka aho tamin’iny fa amin’ity kosa hafa mihitsy. Manomboka mitsoka rahateo ny rivo-baovao, manomboka mipoitra ny finiavana politika hitondra fanovana, efa manomboka tafita amin’ny ampahany ny hafatra na ekena aza fa tsy tonga tamin’ny tanjona toy ny sary mitranga eto Antananarivo. Betsaka ny fanasoketana politika, betsaka ny fanenjehana, tonga hatramin’ny fanompana sy ny fanozonana,… satria mety manahirana an’ireo zatra manao tohatra fiakarana sy manao bizina amin’ny politika ho fitadiavam-bola sy harena ny mahita Malagasy misintona ny sain’ny Malagasy toa azy hijery lavitra, mitarika sy manabe azy any amin’ny fahalalana mitondra fivoarana,… Dia mandeha hatramin’ny fiezahana hampiady sy hampifandrafy ny samy anatin’ny fanoherana ohatra ka ny afo efa mirehatra mbola tondrahan’ny sasany menaka, dia raikitra ny fihinanana am-bolony samihafa sy ny fanenjehana mivaivay. Dia andeha haverina hatrany hoe : sao dia diso fahavalo e ? Mila mandray lesona ny rehetra, fa raha izao no mitohy dia asa re izay hanjo ity Firenena ity !
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

Hijery ny tohiny
FTT