Edito

Mila mandinin-tena


  • Alakamisy 25 Aogositra 2022

Nazava ny hafatra nataon’ny Filoham-piangonana iray isan’ny to teny eto amin’ny firenena, izay nahitsy naneho: fa tokony tsy hampidirina loko politika ny fiangonana, tsy tokony hatao fitaovana politika,…

Samy manana ny mety handraisany an’ireny, arakaraka ny mety ho toerany sy ny laka hitsinjovany azy, fa ny tsy azo hiadian-kevitra, dia isan’ny mampisara-bazana ny resaka loko politika raha hampidirina ao anaty fiangonana ka sanatria toa hampifanipaka tahaka ny valala an-karona. Mila madio fo sy mandinin-tena eo am-pandraisana ireny hafatra ireny satria mba tsy ho lasa mandray an-tendrony, ao ny lasa mandika vilana, mitsara sy mandiso mandiso ny voalaza,… Mety misy mahatsapa ho voatsindrona manokana na mety tsy izay loatra aza ny tanjon’ny mpilaza. Na izany na tsy izany, tokony handinin-tena ihany ny mpanao politika hoe: tena mitory fiombonana sy fifankatiavana tokoa ve ny fihetsiny mety ho misy mandray ho nampiditra loko politika na mety tsy tao anatin’ny eritreriny aza? Mila fandinihan-tena lalina, mila fanentren-tena ny fandraisana ireny hafatra mafonja ireny, fa raha tsy izany lasa diso fandray sy mivaona, hany ka vao mainka mamboly fahotana ao anaty. Isan’ny olana eto ihany koa ny hoe: iza no miteny ka arakarak’iny no hankatoavana na tsia ny voalazany fa tsy any amin’ny hoe: marina sa diso? Hentitra sy mafonja ireny, ary mazava fa tsy kianja fanaovana adilahy politika ny fiangonana. Tsy midika kosa izany hoe: aza manao politika satria ny kristianina mihitsy aza no namporisihina handray andraikitra mandeha amin’ny làlana mahitsy sy ny fahamarinana mba ho fanavotana ny firenena, tsy hiraviravy tànana, fa tena hijoro ho olom-pirenena vanona. Adihevitra tato ho ato ny resaka finoana, ary niseho tamin’ny endriny maro izy ireny ka hamafisina hatrany hoe: anjaran’ny tsirairay ny manatsoaka lesona na olon-tsotra izy, na olom-boafidy na mpitondra Fanjakana ambony hoe: tena mandeha amin’ny fahintsiana sy ny fahadiovam-po sa isan’ny fositra miteraka fisaraham-bazana eo anivon’ny fiangonana sy ny firenena? Mbola afaka ny hanetry tena sy hanitsy ny diany sa hanao hitsin-dàlana hatrany araka izay saim-pantany ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT