Edito

Mila mandia tany ny tongotra


  • Alatsinainy 18 Janoary 2021

Mila miteha-tany tsara ny tongotra fa tsy manidintsidina amin’ity resaka vina sy velirano isaky ny mihetsika ity.

 

Ny an-tratra tsy lavo kanefa dia mandeha ny hoe antsoy ihany koa rainilahy be. Tsara ny miresaka zavatra tsara, mampanantena, mampanonofy, saingy mila jerena aloha ny any am-paosy vao miady varotra, hoy ilay fomba fitenin-drazantsika. Asa re na efa mahazatra ilay manao izatsy sy izaroa, manonofy avy ao am-pandriana dia hoe hataontsika izao, hovitaintsika izarao, hahavita lavitra noho ny vitan’ny teo aloha nandritra ny 7 taona isika. Fa fifaninana amin’ny vitan’ny teo aloha ve no atao sa fijerena ny hoe inona no mahasoa sy ny zavatra ilàna vahaolana eto? Raha hanao kajy resa-bola kely isika, dia hatrany amin’ny avo 10 heny amin’ny fanampiana ara-bola iraisam-pirenana azontsika tamin’ny coronavirus no tadiavina amin’ny hoenti-manana amin’ny velirano sy fampanantenana vaovao. Ny fampidirana ireo mpampianatra ho mpiasam-panjakana aza efa ady saritaka, ny fandoavana ny tambin-karaman’ny mpitsabo mpanampy hodiana adala ka io fa mifanenjana, ny olan’ny mpitsirika asa tsy misy tokontaniny fa hodiana adala, ny fampidiran-ketra tsy misy afa-tsy 15% amin’ny Malagasy raha be indrindra,… Dia milaza ny mpitondra antsika fa hanao izao sy izao. Na ny ao anatiny aza mety efa misy mihomehy irery hoe: mbola eo ambony planeta iraisana amin’ny valalabemandry ve ny mpitondra sa efa any an-kafa, fa toa tsy mandia tany intsony, amin’ny hevitra taingina. Iza no hahatoky antsika ao anatin’ny firenena ratsy tantana, kolikoly mandazo, ny fahalovana? Ny hamisavisana ny ratsy tokoa angamba hiavian’ny soa na koa hanao ny fahagagana tsy vita 60 taona !

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT