Edito

Mila manatsoaka lesona


  • Alakamisy 25 Martsa 2021

Tsy misy ny tonga lafatra, ary làlanan’ny fiainana ny hoe mba tojo faharesena na fahalavoana ihany koa indraindray,

 fa tsy voatery ho mpandresy foana. Ny voka-dalaon’ny Barean’i Madagasikara omaly no tiana horesahina eto, saingy azo ampiharina amin’ny lafi-piainana sy sehatra rehetra ihany koa ka hakana lesona fa azo havadika ho herijika na hery ny fahalemena tahaka ireny mba ahafahana manatsoaka lesona hanarenana ny ho avy. Raha iny toe-javatra omaly iny aloha, dia aleo hitsiana sy resahina, fa tena misy lesoka goavana tao, ary samy tompon’andraikitra ny rehetra. Ny fiomanana, ny fahaiza-mandrindra sy mandamina no isan’ny apinga voalohany hoenti-miady, saingy nanana lesoka goavana isika, ary tsy amin’ny baolina kitra ihany io, fa tena hita taratra amin’ny fomba fiasa amin’ny ankampobeny. Izay nafafy ihany no hotazana, ary ekena hoe mety niezaka isika, fa nanao ny tsy nambinina angamba. Soa lavo hahay mamindra, soa kenda hahay hitsako, hoy anefa ny oha-pitenenantsika Malagasy izay. Lesona ho an’ny rehetra iny, ka ny zava-dehibe dia ny fiaikena ny lesoka sy fananana finiavana hanarina ny tsy mety. Azo hanatsoahana lesona ho an’ny sehatry ny politika sy fitantanana firenena, fa tsy voatery hahery sy ho mpandresy mandrakizay. Raha oharina amin’ny ady sy tolona io, dia na lavo aza mety mbola afaka ny hiarina sy tafarina, fa tsy hoe resinao ny mpifanandrina anio, dia ho resinao foana izy mandrakizay. Androany ianao mieritreritra fa mahery, ka hinia tsy hihaino, hinia tsy hiraharaha ny lesoka mila ahitsy,… dia naman’ny mandavaka tsikelikely ny lavaka hilevenana satria manam-pahataperana ny fahefana, ary mila kolokoloina raha tiana haharitra. Mba mila mahay resy na manaiky ny faharesena ihany koa indraindray, ary mila ialana ity famotsiana ny efa hita fa mainty ity. Karazan’ny fambolena loza ity fireharehana matetika ity hoe: izahay aloha izao no eto, anay ny vola, anay fahefana,… ka izay tianay ihany io.

 Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT