Mila mampandroso firenena fa tsy

mpanabado vahoaka !


  • Talata 14 Mey 2024

Manahirana amin’ny fanaovana politika eto Madagasikara ny fisian’ireo antsoina hoe : «

Sakaizan’ny mpandresy ». Tsy iza ireo fa ireo olona hita foana ao anatin’izay fitondrana mifandimby eo, ireo ilay antsoina hoe mpamadika palitao na mpijapy « Train ». Ireo ihany koa ireo kandida milaza hoe mahaleotena rehefa mandeha ny fifidianana. Aty aoriana anefa mivadika no mpivarotena politka ireo kandida mahaletena rehefa lany. Ny voninahitra sy ny fitiavana toerana ary ny vola no antony mahatonga izany. Raha olona, mpanao politika manana foto-kevitra mazava dia tsy miovaova hevitra izany. Nanimba ny fanaovana politika teto ilay mamadika palitao ary nahatonga olom-pirenena maro tsy miraka intsony amin’ny raharaham-pirenena fa milaza hoe leo politika. Raha ny tena marina dia leo ny fomba fanaon’ireo mpanao politika ny ampahany betsaka amin’ny vahoaka satria mahita izy ireo fa lasa mahazo aina sy be nangy, manana fiara raitra, mahatsangana trano be tampoka ny mpanao politika, ny vahoaka anefa ny omaly tsy niova mba tsy hitenenana hoe niha nahantra. Tsy misy nateraka ho sahiran-dava mandrakizay izany anefa fa azo atao tsara ny manatsara ny fiainana, tsy maintsy miova aloha ny toetra sy ny fomba fanaon’ny mpanao politika satria izy ireo no anisan’ny mpitarika ny vahoaka ho liana sy hanaraka akaiky ny fizotry ny raharaham-pirenena. Rehefa ny mpitarika moa no manaotao fotoana, dia tsy atao mahagaga raha mibirioka ihany koa ny vahoaka ; lasa samy manao izay saim-pantany tsy miraharaha izany hoe tany tan-dalàna izany. Tsy mety anefa izany fa tsy maintsy apetraka ny rafitra matotra hitantanana ny fampandrosoana mahomby ary mipaka any amin’ny isam-tokantrano sy ny isam-batan’olona. Rehefa mampiseho ohatra tsara ny mpanao politika sy ny mpitondra fanjakana, ireo manampahefana mora ny mitarika ny vahoaka handray anjara mavitrika amin’ny fampandrosoana ny toekarena sy ny firenena.
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT