Manome rariny ny antenimierandoholona ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana Avo momba ny lalàmpanorenana mahakasika ny fitoriana nataon’io andrim-panjakana io, raha halalinina ny fanapahan-kevitra omaly.
Didy izay mandidy ny governemanta na ny fahefana mpanatanteraka hanaja ny lalàna velona. Midika io fa nisy zavatra tsy ara-dalàna niniana nikipiana teto, ka io fa manao famerenan-doha io ny HCC. Hatramin’izay toa mahazo rariny feno na amin’ny ampahany, saingy manomboka hafahafa io zava-miseho io. Toa ny fahatokisan-tena diso tafahoatra no mibaiko, ka mandeha ny fahasahiana goavana ara-politika. Tokony hakana lesona ny tsy nety mila ahitsy. Mila mandinika ihany fa sao ny fahatokisan-tena tafahoatra no lasa hoditr’akondro handavo. Efa miharihary eto ny resaka adin’ny samy andrim-panjakana. Ireny efa niaraha-nahita ireny ny tetibolam-panjakana izay nolaniana tamin’ny didy hitsivolana satria tsy nisy ny fifampihainoana. Toa hevitra tokana sy fijery tokana no tiana hampanjakaina, ka ny hafa dia tsy miteny eo anatrehan’ireo eo amin’ny fahefana. Ny fifanoherana eo amin’ny resaka fahefam-panjakana sy ny resaka fanajana ny demokrasia io anefa no anisan’ny mahatonga ireo mpamatsy vola hanidy ny poketrany. Ny lalàna nosoratan’ny mpitondra ankehitriny izao, ohatra, no hiniany hadinoina sy tsy tiany hampiharina, raha ny resaka fampiharana ny demokrasia no resahina. Endrika ratsy ho an’ny firenena foana ireny na misy aza ny milaza fa tsara, hono, ny laharan’i Madagasikara amin’ny demokrasia aty Afrika. Iaraha-mahita anefa ny fanenjehana ireo tsy mitovy hevitra. Mipatrapatraka ny didy tsy fahafahana mivoaka any ivelany na ny “IST”. Marina sy ekena fa mety manana dosie maloto ireny, kanefa ireo eo amin’ny fahefana ve tena madio sy anjely latsaka an-tany avokoa na manantena fa tsy mba ho tratry ny aloka ? Mila maka lesona amin’ny lasa isika.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.