Edito

Mila maka lesona !


  • Alakamisy 05 Septambra 2019

Handray vahiny manan-kaja i Madagasikara, izay voninahitra lehibe ho antsika ary antenaina fa hitondra aim-panahy ho an’ny vahoaka sy ny firenena, indrindra fa ny mpino katolika.

 

 

 Reherahan’ny firenena ny handray vahiny manan-kaja ary samy mitodika any amin’io ny sain’ny rehetra ankehitriny. Makotroka ny fiomanana, namboarina ny fotodrafitrasa, nodiovina ny tanàna,… Zary lasa sangisangy aza ny hoe tokony hijanona eto foana izy na mandray vahiny foana isika amin’izay madio sy milamina ny tanàna. Hay azo atao ihany ny manao zavatra tsara, ny manadio … Mila faranana amin’izay ilay politikan’ny haingo ambony tsikoko. Firifiry ny vahiny manan-kaja tonga teto izay reharehan’ny mpitondra ny fahatongavany teto, tahaka ny filoha Rwandais Paul Kagame. Toa tsy haintsika anefa hatreto ny tena maka lesona fa zary lasa fakana doka politika fotsiny no betsaka. Toa tsy haintsika ny misintona lesona amin’ny nataon’ireny olona manana ny maha izy azy eo amin’ny tantaran’izao tontolo izao ireny. Asa na mba hiova ihany ny politikan’ny fampanantenana efa ho lava sy kisehoseho hakana doka na mba hivadika asa azo tsapain-tanana sy hisy fiantraikany amin’ny rehetra !

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT