Edito

Mila maka lesona !


  • Alarobia 03 Jolay 2019

Lafin-javatra roa no tena malaza, dia ny tontolo politika sy ny fanatanjahantena. Mazava be izany aloha izao ny fametrahana fifandanjan-kery ara-politika noho ny fanambaran’ny antoko Tiako I Madagasikara fa hijoro ho mpanohitra izy ireo.

 Iny nivoaka iny ihany koa ny valim-pifidianana solombavambahoaka izay tsy niova firy tamin’ny vokatra vonjimaika, ary didy tsy azo hivalozana ny an’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana. Ireny no vita, saingy tsy azo hodian-tsy hita ny lesoka samihafa hahafahana manitsy ny ho avy, toy ny fifidianana ben’ny tanàna. Mila fanetren-tena sy fifampihainoana ary fitsipi-dalao mazava satria toa hita taratra ihany fa halaim-panahy ireo mahatsiaro ho lasibatra hisaina fa tena misy ny tsindry hazo lena sy ny tsy ara-drariny ary tian-kano sy tsy tian-kano tamin’izao voka-pifidianana izao. Misy ampahana Malagasy tsy faly izany ao, ary tsy vao tamin’ity fifidianana depiote ity fa hatramin’ny teo alohany. Ny hita mibaribary, mampisara-bazana antsika ny politika eto. Ny Barean’i Madagasikara miatrika ny CAN 2019 any Egipta kosa dia tena hanompanan’ny Malagasy manontolo ny fo amam-panahiny, ary mampiombona ny lafivalon’ny Nosy. Ireny hita taratra ireny ny fahavitrihana sy finiavana, ary mbola noporofoin’ny olona izany omaly tamin’ny fahatongavana nilahatra hanao famandrihana mba ho any Egipta. Indrisy anefa fa maro ny ahiahy sy toa fanaovana tsinontsinona ny finiavan’ny maro satria toa efa nandeha ny kiantranoantranon’ny mpitondra. Mila fanovana mba tsy hosimbana ny efa zavatra tsara sy mampiray e !

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

Hijery ny tohiny
FTT