Edito

Mila maka lesona !


  • Alarobia 22 Novambra 2017

Malaza indray ny zava-misy any Zimbabwe amin’izao fotoana izao noho ny filavoana lefona nataon’ny filoha Robert Mugabe,

izay nanaiky hametra-pialana rehefa niziriziry tao anatin’ny andro vitsy na dia efa voafehin’ny miaramila aza ny fanjakana. Nanana ny tanjany ara-politika sy tsy azo nohozongozonina tamin’ny fitantanana an’ity Firenena Afrikanina ity ny tenany, izay nitondra tao anatin’ny 37 taona be izao. Hiakam-pifaliana ny an’ny vahoaka, izay mahatsiaro ho afa-jioga teo ambany fitantanan’i dadabe Mugabe. Maro no mety ho antony nampitroatra tampoka ny tafika, fa ny zavatra voalaza fa pitik’afo kely nandrodana azy, dia ny baikon’ny vadiny satria nisy olona nankasitrahan’ny vahoaka ihany tao anatin’ny fitondrana, saingy nobaikoin-dramatoa ny filoha hanala azy. Io anefa no noheverina handimby an’ingahy filoha, izay efa 93 taona saingy ramatoa vadiny no nitetika ny ho kalabe hitondra firenena. Lesona roa no azontsika tsoahina amin’ny tantara, dia ny hoe iankinan-javatra be amin’ny fitantanana ny firenena ny vadina filoha iray, izay matetika any amin’ny asa sosialy hanatsara endrika ny filoha sy ny fitondrana no tena iantsorohany, fa tsy mijabaka loatra amin’ny politika. Ny rehetra no afaka mitsara hoe manao ahoana ny vadin’ny filohantsika ankehitriny ? Tena tohana ho an’ny filoha sa poizina amin’ny fitantanany ny firenena ? Lesona faharoa ny hoe misy fiafarany ny zava-drehetra, ary tsy hahafahana mitazona ny seza velively ny fahefana, izay hireharehan’ny mpitondra antsika satria i Mugabe aza iny efa tsara fototra 37 taona saingy io no niafarany, ka dia ny aoriana no hitsara hoe ho tsara sa ho ratsy fiafara ity fitondrana ity ?

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT