Edito

Mila mailo ihany a


  • Talata 10 Novambra 2015

Marina fa tsy mety ny mikopaka sy ny taitaitra loatra kanefa tahaka ny miesona ihany isika Malagasy raha hiandry ny fivoriamben’ny firenena mikambana amin’ny septambra 2016 vao hanokatra indray ny dosie « iles éparses »

 


.Efa tena miketrika hitrandraka mantsy ny Frantsay, ary maro be ny zavatra mety ho vitany ao anatin’izany herintaona izany.Tsy dia misy antenaina raha ny fitondrana misy eto amintsika amin’izao fotoana momba ny fitakiana ireo nosy mnodidina ireo satria efa voatambitamby sy tratran’ny tampi-maso amin’ny fampiantranoana ny fihaonana an-tampon’ny Frankôfônia ka ny mandamin-dresaka no namaika fa dia tsy hiady mihitsy.Mila matotra tsara koa anefa fa tsy sanatria manao bontolo ireo mitarika ny hetsika fitakiana ny « iles éparses » satria tsy fitandremana kely fotsiny dia mety hivadika zava-doza, ary aoka tsy ho adino fa manana traikefa be amin’ny zarazarao hanjakana ny Frantsay.Misy ihany koa ireo malagasy mpamadika, ao ny mpampijabaka, kao mila fahamailoana be ny zavatra tahaka izao ary tena atao am-pisainana fa tsy entim-po dangitra eo fotsiny.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT