Tamin’ireny andro ireny nisy nofy nolokoana, nisy nofo nokoloana, nisy mofo notsakoina dia nilamina ny tany, hoy ny poeta iray izay. Miha mafy hatrany tokoa ny fiainana ary tsy misy izay tsy mitaraina momba izany ny olombelona rehetra eto ambonin’ny tany.
Andeha atao hoe fomban’ny mpanao politika milatsaka ho fidiana ho mpitarika rafitra iray ve ny mampanantena zavatra maro rehefa tonga ny fotoanan’ny fampielezan-kevitra? Ny an’ny sasany izany moa dia tena hita izao fa fampanofisana am-pitsanganana mihitsy ary aty amin’ny tany an-dalam-pandrosoana toa antsika dia izy ireny foana matetika no tena lany. Nivoaka iny ny lisitr’ireo mahazo mirotsaka ho depiote. Ahitana karazana satan’olona ao toy ny mpahay toekarena, ny mpahay fiarahamonina, ny mpahay lalàna sy ny sisa saingy ny tena mampiavaka azy dia hoe feno artista. Samy hampanantena ireo atsy ho atsy fa hitondra an’izao sy izao ho an’ny mpiara-belona aminy. Ny tamin’ny 5 taona lasa moa niaraha-nahatsiahy ireny fampanantenana fotodrafitrasa marobe ireny kanefa dia olona mikendry ny ho lasa mpanao lalàna no nitanisa izany tamin’ireo vahoaka nojonoiny hifidy azy avy. Misy kandida amin’izao manaraka izao mihitsy no vaky vava fa mbola tsy mahalala ny tena asana depiote ny ankamaroan’ny olona. Mazava fa an-kavitsiana izany ireo kandida tena nampahafantatra marina tamin’ny vahoaka ny ho asany tamin’ireny fotoana ireny. Mila mailo dieny izao, araka izany, izao sy ianao raha hivonona hiaino ny fampanantenana rehetra mety ho re ao aoriana ao. Tena mifandraika amin’ny asa andrasana aminy avy tokoa ve ny ho zava-dazain’ireo kandida tsirairay? Etsy ankilany moa mandra-pahatonga izay fotoana izay dia mitohy ny fandanindaniam-poana isan-karazany ataon’ny manam-pahefantsika. Niaraha-nahita ireny ny delegasionina “nafonja dia nafonja” nentina nitangirika famatsiana tatsy amin’ny nosy rahavavy tatsy. Ny fanambaniana ny tantsaha Malagasy amin’ny fanoloana ny vary vokatra eto an-toerana amin’ny varina hafa firenena izay manalasala ny kalitaony koa etsy an-daniny manginy fotsiny. Ny firenena miha mahantra. Miakatra ny vidim-piainana ary teto ambonin’ny tany tsy mbola nisy firenena nahay nampidina vidim-piainana izany fa ny mpitondra mahay mitantana kosa anefa mahay mampiakatra ny fari-piainan’ny vahoakany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.