Vata-miaramila 10 000 no nohetsehana any Frantsa. Nantsoina ihany koa ireo rezervista mba hifanome tanana amin’ny polisy sy ny zandary amin’ny fotoana ilana azy.
Nohalavaina 3 volana indray ny fepetra amin’ny tany misy hotakotaka. Tena anaty ady amin’ny asa fampihorohoroana i Frantsa ary efa nilaza mazava ny filoha Hollande fa hihamafy ny daroka baomba sy fanafihana ataon’ny Frantsay any Irak sy Syrie. Nosokajiana ho faritra mena izany ny tanin’ny Repoblika Frantsay. Fantatra fa manamafy ny fiarovana ny fananany sy ny zava-drehetra momba azy ivelan’i Frantsa ihany koa ny fanjakana Frantsay. Anisan’ny firenena ahitana teratany Frantsay maro indrindra i Madagasikara, betsaka koa ny orinasa sy sampandraharaha Frantsay eto, ny eto rahateo efa ahiana ho toerana ifamezivezen’ny silamo mahery fihetsika, araka ny angom-baovao nataon’ireo sampam-pitsikilovana vahiny. Koa rariny raha dieny izao dia efa mailo ny fitondram-panjakana Malagasy fa mety ho avy ihany ny fotoana hamelezan’ny jihadista ny Frantsay eto amintsika. Aleo misoroka toy izay mitsabo. Tsy tongatonga ho azy ny fanambarana efa in-telo miantaona nataon’ny masoivoho Frantsay eto amintsika fa vonona hanampy antsika amin’ny fametrahana ny fitoniana sy ny filaminana izy ireo. Ao raha !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.