Edito

Mila mahazaka resy e !


  • Zoma 23 Novambra 2018

Foto-pisainana ara-demokratika tokony hananan’ny kandida filoham-pirenena ny fahazakana resy fa tsy sanatria handeha hanakorontana rehefa tsy lany na tsy tafita any amin’ny dingana manaraka.

 

 Tsy tokony hatao fitaovana tamin’ny tsy fahalaniana ny olana sy lesoka izay mety hisy foana na aiza na aiza. Ireo zavatra heverina ho tsy azo leferina dia efa nomen’ny lalàna zo feno hanao fitoriana teny amin’ny HCC ny rehetra, ka tokony hiandry ny valiny am-pamendrehana. Efa raikipohy amin’ny fifidianana rahateo ny hoe tsy maintsy misy ny resy ary misy ny mandresy. Hitarafana ny fahendren’ny kandida tsirairay avy ihany koa io fa tsy mitady ala olana etsy sy eroa hanaporofoana fa tsy tokony ho resy na dia efa mihanjahanja izao aza ny elanelana eo amin’ny samy kandida. Ny dingana manaraka no tokony himasoan’ny rehetra dia ny fifandresen-dahatra sy ny fifanomezan-tanana any amin’ny fihodinana faharoa na koa ny fahanginana, rehefa tsy resy lahatra amin’ny fampitambarana ny hery. Raha tena misy tokoa ny fitiavan-tanindrazana eo amin'ireo kandida, dia ny fitandroana ny filaminan’ny firenena, ny fanajana ny safidim-bahoaka no tokony ho ambony indrindra aminy fa tsy sanatriavin’ny vava rehefa tsy lany dia handeha hanakorontana sy hanangona olona hamotika sy handrava hiteraka krizy lavareny eto indray. I Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina no hifaninana amin’ny fihodinana faharoa raha tsy misy ny sampona, ka irariana ny hisian’ny lalao madio sy tena mangarahara. Tsaroana ny kabary teny an-kianjan’ny 13 mey fony niara-dia ireo depiote 73 ny volana aprily lasa teo fa ho mpifaninana ao anaty fifaninanana masina ny TIM sy MAPAR. Ny lohan’ireo vondrona ireo mihitsy ankehitriny no hifaninana. Hotsarain’ny tantara eo izay mitetika lalao maloto sy amboletra ka tsy hanaiky safidim-bahoaka. Ny hirariana dia tena hadio ny fifidianana. Izay ho lany eo rahateo dia ho filohan’ny Malagasy manontolo fa tsy filohan’ny eto afovoan-tany na filohan’ny any amin’ny sisiny. Tsy vahaolana intsony ny fampisaraham-bazana ny Malagasy e !  

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Na izany aza… !
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka fivoriana ara-potoana

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

Hijery ny tohiny
FTT