Edito

Mila mahazaka demokrasia


  • Alarobia 10 Aprily 2019

Nirarakopana ny valin-kafatra avy amin’ny fitondram-panjakana mahakasika ny dian’ny filoha tany ampitan-dranomasina, izay efa faninefany tao anatin’ny roa volana mahery nitondrana ity firenena ity.

 

Aoka hazava sy ho fantatr’ireo mpitondra fanjakana fa tsy misy halako bika tsy tiko tarehy eto, fa miezaka kosa isika mijoro ho arofanina ho an’ny firenena satria tsy an’ny fanjakana Rajoelina irery i Madagasikara, fa an’ny Malagasy manontolo. Mandoa hetra isika, ary manana zo hitsikirera sy hanitsy eo anatrehan’ny tsy mety, saingy ny fandraisan’ny sasany azy dia fahavalo. Firenena iaraha-mananana ity ary raha tena mipetraka tokoa ny fitiavan-tanindrazana, dia mankasitraka sy miezaka manitsy ny tsy mety ary tokony handray lesona ny fanjakana eo anatrehan’ny kiana samihafa mahazo azy. Ampy izay ny kobaka am-bava, ary mila ahitsy ity fisolelahana be fahatany ity, fa olona tena mahasahy mijoro sy tsy mijery harona an-tava aza no ilaina ao anatin’io fanjakana io. Toa maro mantsy no jamban’ny hena-maso ao anaty fanjakana ao, ka miezaka mafy ny miaro sy manadio na dia efa hita izao aza fa tsy mety ny ataon’ilay fitondram-panjakana. Aleo vantanina ny resaka fa misy manipy hoditr’akondro ny filoha ankehitriny, satria betsaka no tsy te ho very fihinana. Sedra goavana hitsapana ny herin’ny antokon’ny fitondrana io fifidianana solombavambahoaka io, saingy ny iaraha-mahita aloha dia toa mivadika ho raharaham-panjakana mihitsy ilay izy. Ny minisitra ao anatin’ny governemanta dia tsikaritra ho mampiseho ampahibemaso fa miandany sy manohana kandida depiote. Mihevitra ny tsy ho tratry ny aloka sy hampiasa ny fahefana eo am-pelantanany mandrakariva ve ny filoha? Mahatsapa ho tompon’ny hery sy fahefana ve ka manasokajy tena ho tompon’ny fahefana ka tsy ho refesi-mandidy? Midika io fa na ny fanjakana am-perinasa aza tsy mahatoky ny heriny sy ny valerany intsony ao anatin’ny raharaha. Miezaka mampiasa ny fahefana eo am-pelantanany, ka na hijoro ho mahaleo tena aza ny sampan –draharaha misahana mivantana na ankolaka ny fifidianana na hampiseho sy hanaporofo fa mahaleolo tena dia ahiana ho tratry ny tery vay manta. Ny zava-misy tao anatin’izay telo volana eo ho eo nitondran’ilay filoha izay kosa aloha, dia mizotra makany amin’ny fahadisoam-panantenana isika. Ny serasera no ezahina amboarina; ny seho ivelany no terena ho mendri-piderana sy mila dokafana, far aha ny fivoaran’ny fiainan’ny Malagsy aloha dia aotra ny naoty. Tsy iadian-kevitra hoe tsy ampy hitsarana ilay fanjakana izay, saingy aleo vantanina ny resaka hoe: ny fampanantenana no betsaka fa ny asa mivaingana mbola tsy tena hita mivaingana sy miantraika amin’ny vahoaka hatreto. Hovay ilay fomba fiasa dia porofoy fa miantraika amin’ny isam-batan’olona ny fampandrosoana fa be resaka sy be fampanantenana e !

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Na izany aza… !
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka fivoriana ara-potoana

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

Hijery ny tohiny
FTT