Edito

Mila madio fo amin’izay !


  • Sabotsy 13 Jolay 2019

Hakotroka ny fitsenana ny Barean’i Madagasikara anio, ka haseho sy hamafisina ho hitan’izao tontolo izao fa tsy manam-paharoa sy mendrika ny mpilalaontsika sy ny firenentsika manontolo.

 Ny irariana fotsiny dia mba samy ho tonga saina ny rehetra, indrindra fa ny mpanao politika, ka hitsahatra sy tsy ho hita taratra intsony ny resaka fijapiana na mety ho fanaovana fitaovana politika ny fahombiazan’ny Barea. Izay mety endrik’izany tany aloha aleo ho hadinoina fa ny sisa no hotandremana. Ekena mantsy fa ao ny finiavana sy fitiavana ny Barea, saingy tsikaritra amin’ny fihetsika sy fomba fiteny ihany indraindray ny fitadiavana doka politika sy fom-bahoaka amin’ny alalan’ity ekipam-pirenena ity satria hoe tian’ny Malagasy tsy ankanavaka ireo mpilalao noho ny ezaka vitany. Raha ampitahaina, ny filoham-pirenena voalaza fa voafidim-bahoaka tamin’ny fifidianana, ohatra, dia zara raha misy 2,5 tapitrisa amin’ny olom-pirenena 10 tapitrisa mpifidy no nampandany azy na efa nipoapoaka aza ny propagandy. Ny Barea anefa ity tsy nila propagandy fa ny olona no resy lahatra sy nentanim-pitiavana. Lojika ihany raha misy ny halaim-panahy te hanao fitaovana politika ny ekipam-pirenena. Lokon’ny firenena anefa no entin’izy ireo, ary sambany tao anatin’ny 59 taona no nisy toe-javatra nampiray feo sy nampitovy fijery ny Malagasy tahaka izao. Tsara sy mila tohizana ny fanohanana, ary olom-pirenena ny mpanao politika, fa kosa ilay finiavana hanao fitaovana ny ekipam-pirenena ho amin’ny tombontsoa politika kosa tsy lasa e ! Fotoana izao hampandeferan’ny mpanao politika ny hambom-pony avy, ka hampitovy tadin-dokanga hiara-kientana hampandroso an’i Madagasikara, raha tena misy tokoa ny fitiavan-tanindrazana ao amin’izy ireny.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT