Edito

Mila harenin-kasina !


  • Alakamisy 18 Janoary 2018

Misy ilay fomba fiteny frantsay izay hoe “Sahaza antsika izay mpitondra azontsika.” Ireo mpanandro sy mpanao hatsarana na mpisikidy na mpimasy hatramin’ny mpitondra fivavahana dia samy mino ny fisian’ny ozona avokoa.

 
Mitsotsorika hasina, hono, ny firenentsika  ankehitriny raha ny fandinihan’ny mpikabary sy mpandala fomban-drazana iray. Raha tsy nivaha tamin’ny Volambita farany teo, hono, ny olana dia taraiky loatra, hoy kosa ny mpanoratra sady mpandinika tontolo tsy hita maso. Ho an’ny ankabeazan’ny olona izay tsy te hiasa saina loatra dia finoanoam-poana daholo izany rehetra izany. Ho an’ireo niaina tao anatin’ny fandinihana azy kosa dia siansa sy lojika io. Fa nahoana tokoa isika no nahazo mpitondra nanondrana tato ho ato ? Raha tsy lazain’ny olona hoe tsy misy kalitao dia hahariharin’olona ho be kolikoly indray ankehitriny. Enga anie mba ho diso ny fampitam-baovao iray fa dia hitokana fotodrafitrasa efa niasa efa ela indray, hono, rahampitso ny filoha. Ny praiminisitra koa etsy an-daniny safononoky ny fiampangana ny tenany tamina firaisana tsikombakomba maro momba ny varo-pananam-panjakana tsy ara-dalàna. Ny dingam-pitsarana ireo raharaha mafampana rehetra nisambadidaka ambony ambany raha tsy hitanisa afa-tsy ny raharaha Andriamandavy sy Razaimamonjy ary Antsakabary. Ankehitriny dia ny minisitry ny fitsarana mihitsy no hitrikitrihin’ny olona. Mila harenin-kasina tokoa ny firenentsika !

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT