Tsy misy mahita na mahafantatra izay mety ho fifanarahana politika any ambadibadika any fa ny hitan’ny maso sy ny ren’ny sofina no fantatry ny olon-tsotra izay tsy mbola leo fa manaraka hatrany ny fizotry ny raharaham-pirenena.
Ireo milaza ho efa leo politika moa dia tsy mivaky loha intsony na iza miakatra na iza mirodana eo. Ny hita dia fitondrana manao be marenina sy tsy mety mandray lesona amin’ny lasa no misy eto. Efa fantatra tsara izao fa tsy mbola tafapetraka eto Madagasikara ny fitoniana ara-politika izay mitarika olana ara-toekarena sy savorovoro ara-tsosialy, saingy hita ho tena malaina amin’ny fifampiresahana ny mpitondra HVM. Angamba mihevitra fa manana ny hery sy ny fahefana ary ny vola ka tsy taitra amin’izao fimenomenonana etsy sy eroa izao. Faly amin’ny fivoahana any ivelany manatrika fivoriana ny filoha, fa mba inona moa ny vokatr’ireny dia ireny ? Nahoana no tsy atao mangarahara tsara ny fampitam-baovao, mitaky hahafantatra ny vola lany amin’ireny ny vahoaka fa tsy hoe rehefa mpitondra fanjakana dia mahazo manao izay tiany atao. Na ambara fa misy ambadika politika na tsia ny fitakiana sendikaly mipoitra etsy sy eroa dia adidin’ny fitondram-panjakana ny mikaroka vahaolana amin’ireny amin’ny alalan’ny fifampiresahana fa tsy don-tandroka sy fandrahonana fandroahana foana no atao. Tsy efa hita ve fa tsy mahavaha olana ny fisamborana sy fandefasana lakrimozenina fa vao miha mampitombo ny hatezerana e ? Tsy sanatria maniry ratsy fa ho zava-doza ho an’ny firenena raha toa ka misy korontana sy fanonganam-panjakana indray eto. Tsy mbola tara ny mpitondra raha manetry tena mihaino ny hafa, miady hevitra ary mampitsahatra ny ramatahora sy izao karazana antsojay rehetra izao.Mila hentitra ihany koa amin’ny kolikoly sy ny afera maizina isan-karazany ary tsy tokony ho matikenamaso ingahy filoha fa sahy milaza ny marina, eny fa na mety hanohintohina ireo manodidina azy aza izany. Mety nofinofy izany saingy tsy maintsy tanterahana raha tiana hiarina ny firenena.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.