Edito

Mila fisokafana !


  • Alakamisy 17 Janoary 2019

« Izao tontolo izao dia masoko sy sofiko avokoa », hoy ny Ombalahibemaso na ny mpanjaka Andrianampoinimerina.

 Midika izany fa sady niezaka ny nihaino ny rehetra ny tenany fa tsy nionona tamin’ny toraka voninkazon’ireo tandapa fotsiny kanefa dia nandinika sy nanamarina ny zava-niseho sy nisy ihany koa. Vokany, izy no mpitondra nahomby indrindra tamin’ireo mpitondra rehetra teto Madagasikara hatramin’izao, raha ny tantara no jerena. Ela fanapahana teo amin’ny fanjakany ihany koa izy. Afaka 2 andro dia hiasa ny filoham-pirenena vaovao. Voalohany tsy maintsy hataony ny fananganany ny governemantany. Malaza foana moa hatramin’izay rehefa handrafitra ekipa tahaka izao ny resaka fisokafana. Governemantan’ny fisokafana izy rehefa anaty repoblika ary governemantan’ny marimaritra iraisana kosa rehefa tetezamita. Voatery tsy maintsy ho izay foana ve anefa ? Midika ho fisokafana tokoa ve ny tsy maintsy fametrahana mpiray tanindrazana isam-paritra ao anaty minisitera ? Satria miisa 22 ny minisitera, ohatra, dia tsy maintsy hanana solontena daholo izany ny faritra 22 ? Na koa hoe 18 dia tsy maintsy hanana solontena ny foko 18 ? Antenaina fa hahay handanjalanja ny tena fanapahan-kevitra tokony horaisiny ny filoham-pirenena vaovao ka tsy ho sanatria ho lasa fanerena an-kolaka azy hizara seza tsy am-piheverana toy ny nisy tamina fitondrana maromaro ny teny hoe fisokafana. Raha ny tena mahay sy mahavita avy any amin’ilay faritra tokoa moa no apetraka eo maninona ? Ny olana mipetraka hatramin’izay dia toa lasa mianona fotsiny amin’izay atolotr’ireo fikambanana matanjaka isam-paritra foana ilay mpitondra fa tsy nanana fandavan-tena loatra handinika izay tena fahaiza-manaon’ilay nofidiana na kasaina hofidiana. Inona ary ny tena fisokafana satria izany no ilaina raha ny lesona efa navelan’ny tantara no alaina. Ny azo antoka fa lehibe aloha dia mila misokatra amin’ny hevitra rehetra ny sofina sy ny saina ary mila misokatra mijery ny tontolo manodidina ihany koa ny mason’izay ho mpitondra rehetra manomboka eto raha te hanomboka fandrosoana. Mila fisokafana !

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Na izany aza… !
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka fivoriana ara-potoana

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

Hijery ny tohiny
FTT