Mila firaisam-po

Anatiny fahasahiranana sy ny voina


  • Alakamisy 12 Febroary 2026

ny Firenena amin’izao fotoana izao noho

ny rivodoza mahery vaika mamely. Maika araka izany ny fanarenana ny fahavoazana na eo amin’ny lafiny maha olona na ny ara-pitaovana. Efa misy ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana izay nametraka ny lamina sy ny paikady, saingy henjana ny ihany koa ny miatrika ny zava-misy, henjana ny famonjena ireo vahoaka,… Misy ny lasibatra mivantana fa saika ny Malagasy rehetra no iharan’ny fahavoazana satria misy akony sy fiantraikany amin’ny fiainana andavanandro ny zava-misy. Misika izany fa mila firaisam-po sy fifanomezan-tanana, fikankaherezana,… Asa mbola manam-potoana hoentina manakarontana sy mampisavorovo ny saim-bahoaka ihany ve ireo tsy maty voalavo an-kibo te hamboly korontana sy hanampy trotraka ny olan’ny Firenena. Ny fivoizana fifandirana sy fifankahalana ara-politika ve izao no maika sa ny fitadiavana ny fomba hanarenana ny fahavoazana ? Manahirana ihany mantsy mijery sy mahita fa hatrany amin’ny fomba fitafy sy dia ataon’ny filoham-panjakana avy no hitan’ny sasany hororitina ka na ny filazana fa tsy miaramila intsony fa misafidy ny ho sivily sy ny làlan’ny sivily rehefa mandray fitenenana sy manao kabary aza hitan’ny sasany havadika, ka ny fampitahana ny fitafy omaly sy anio no roritina. Izany ve no tokony handaniana rondoha amin’izao voina mahazo ny Firenena izao ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

  • Mamafy rivotra !
  • Zoma 11 Septambra 2026

Fomba firesaka ifandovan’ny

Hijery ny tohiny
FTT