MILA FIOVAM-PENITRA MAHERY VAIKA

Lalana potika, tanàna maloto, vidin’entana lafo,


  • Alatsinainy 22 Jolay 2024

rano tsy misy, jiro tapaka lava, tsy fandriampahalemana mirongatra an-tanàn-dehibe sy any ambanivohitra.

Tsy hoe horonan-tsary mampatahotra no resahana fa ny zava-misy eto Madagasikara ; be loatra ireo fampanantenana natao teto nanomboka ny taona 2009, raha ireny no tanteraka dia efa nihena isa be ny malagasy mahantra. Tena mbola lavitry ny afo anefa ny kitay, menomenona no re isan’andro any anaty fiarahamonina any, tsy miaina intsony fa miezaka ny tsy ho faty. Izay no tena mahalaza azy. Ramalagasy rahateo moa dia hita fa anisan’ny olombelona mahari-pery indrindra eto ambonin’ny tany. Ka asa na io no efa fantatry ny mpanao politika sy ireo manampahefana fa dia tsy taitra ihany koa ry zareo. Ny tena raharaha aza dia mbola misy sahy mampitombo ny fampanantenana ihany , efa hita izao anefa fa tsy vita akory ny 25% n’ireo nambara teo aloha. Mijery ilay voka-pifidianana solombavambahoaka farany teo, mihaino ny firesak’ireo olom-boafidy sy olom-boatendry maromaro ihany dia mahatsapa fa tena mbola lavitra ny lalana ho diavina raha tiana ny haharesy ny fahantrana. Ny olona no miovaova fa ny fomba fisainana miiba mitoetra. Maivana be ny fahatsapan-tena ny amin’ny tokony hanandratana ho avo ny tombotsoa iombonana, fizahozahoana sy fanindraindrana olona, antoko no andanian’andro eto. Mila fiovam-penitra mahery vaika, fa raha tsy izany dia tena ny teo ihany no miverina, ary mbola hiverina. Ka asa hoe iza no ho sahy , iza no hahavita hanao an’io ?
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT