Edito

Mila fihavanana


  • Alatsinainy 10 Oktobra 2016

Goavana no sady mafonja ny hevitra fonosin’ny teny hoe : « fihavanana » sy ny hoe « mifamelona », tsy teny fotsiny mantsy izy ireo fa tena foto-pisainana sy fomba fiaina.


 Rehefa zohina tokoa ny teny frantsay hoe « réconciliation » dia midika hoe fampihombonana. Ny mpifankatia sy ny mpivady misaraka no mila hampiombonina. Tsy afaka handikàna ny hoe fihavanana na oviana izany io teny io. Ary ity fihavanana resahana eto ity koa dia araka ny voalazan’ireo manam-pahaizana momba ny fiarahamonina hoe tsy misy idiran’ny resaka rà iraisana fa vokatry ny atao hoe fato-drà ka mahatonga ny mpiara-monina hifampitondra toy ny mpihavana. Dia toy izany koa ny teny hoe « mifamelona » izay tsy ho voadika amin’ny teny frantsay hoe « s’entraider » na « mifanampy ». Ireo, hoy ny mpandinika no niorenan’ny atao hoe « fokonolona » izay tsy misy teny vahiny afaka mandika azy koa. Ireo teny telo ireo izany no tokony ho fototra raha tiana ny hamerina amin’ny laoniny na hatrany ifotony ny fiarahamonina malagasy amin’izao fotoana. Izany hoe mila mifampitaiza mba hifampitondra tahaka ny mpihavana isika na mila fihavanana raha tena tiana tokoa ny ho tonga amin’izany fanorenana ifotony tatatataina amin’izao fotoana izao izany.Tsy maintsy misy fototra mazava iaingana ny fanorenana.

Mirija  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT