Edito

Mila fandinihan-tena !


  • Zoma 28 Jona 2019

Tahaka ny làlam-piainan’ny zanak’olombelona no zavatra lalovan’ny firenena amin’izao fotoana izao.

 Mifangaro tanteraka ao ny mangidy sy ny mamy, raha raisina amin’ireo toe-javatra roa nifanesy tao anatin’ny 48 ora, dia ny loza mahatsiravina nahafatesana olona maro be tetsy Mahamasina ary teo ihany koa ny fahombiazan’ny ekipam-pirenena Malagasy miatrika ny CAN 2019 any Egypte any. Ny irariana dia hitohy ny fahombiazana ary lasan’izay efa niseho teo ny ratsy. Eo izany ny fahombiazana fa eo ihany koa ny andro maloka, izay zary lasa adihevitra lehibe amin’izao. Ny zava-dehibe dia ny fakana lesona hatrany amin’ny ho avy rehefa tojo zavatra tsy dia tsara loatra. Ny tsikaritra anefa, dia toa hita taratra eny ihany ny fanamaivanana ny zava-misy fa zary lasa fifanomezan-tsiny no betsaka. Tsy misy sahy miaiky ny lesoka sy ny mety ho fahadisoana avy aminy teo anatrehan’ireny loza mahatsiravina ireny. Tsara ny fandraisana andraikitra eo anatrehan’ny zava-misy, toy ny fiantohana manontolo ny lany amin’ny fitsaboana ireo naratra. Hisy ve anefa ny sazy ho an’ireo tompon’antoka mivantana na ankolaka tamin’ireny toe-javatra ireny ? Ekena ny lesoka avy amin’ny olona tonga teny Mahamasina, fa mila mandini-tena ihany koa ny mpitondra hoe: raha tsy nisy ny goragora sy ny gaboraraka tsy nisy ny toy ireny. Samy tompon’antoka na ny mpitondra na ny entina, ka misy toe-tsaina mila ovaina ao, saingy ny tena hita eto dia mitombina hatrany ny hoe: ny lehibe tsy mba meloka !

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT