Miandry ankehitriny ny rehetra hoe : hijoro amin’ny maha raiamandreny azy tokoa ve ka hahay handamina ny toe-draharaha eto amin’ny firenena i Hery Rajaonarimampianina sa hanao be marenina sy hampandry adrisa indray
. Efa mahazatra ihany mantsy ilay fahaizan’ny fitondram-panjakana miala bala na manodina ny resaka rehefa misy ny raharaha mafampana iray. Izao tsy iray intsony ilay izy fa farafahakeliny 3 koa dia ho hita eo. Matoa tsy nanatanteraka avy hatrany valandresaka ho an’ny mpanao gazety teny Iavoloha tamin’ny fahatongavany ingahy filoha dia ao raha. Maro ny zavatra tsy maintsy homanina ary azo antoka fa anio vao maraina dia efa hikaon-doha amin’ireo mpanolotsaina azy sy ny mpikarakara ny serasera eo anivon’ny prezidansa ny filoha Rajaonarimampianina. Ny olona rahateo mila vahaolana mivaingana fa tsy misy miesona amin’ny resabe intsony. Ahoana marina ny momba ny delestazy ? Hahavaha olana marina ve ny fametrahana ireo gropy 52 eny Antanandrano ? Inona ny tena marina momba ny tanin’ny labatoara eny Andohatapenaka ? Hanorenana fotodrafitrasa handraisana ny Frankôfônia tokoa ve eo ? Raha eny, inona marina ilay izy ? Efa misy drafitra mazava ve sa natao maimaika mba hanakanana ny fananganana ilay labatoaran’ny Tiko fotsiny ? Aiza ho aiza ny Opération Fahalemana iadiana amin’ny dahalo ? Miroso ve sa ahoana ? Ho hita eo izay fanazavan’ny filoha fa dia miandry azy daholo ny rehetra.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.