Andro lehibe eo amin’ny tantaram-pirenena ity 8 janoary 2019 ity, izay hanambaran’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) ny vokatra ofisialin’ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa.
Nanamafy omaly ny HCC fa tsy miandany amin’ny kandida izatsy na izaroa fa mandinika ny lafiny teknika amin’ny fifidianana ary raha ilaina dia nojerena ny biletam-pifidianana sy ny lisitra nosoniavin’ny mpifidy isaky ny biraom-pifidianana. Ny tombontsoa ambonin’ny firenena irery ihany no banjinin’ny HCC. Koa dia miandry ny rehetra anio talata. Inona amin’ireo tombantombana isan-karazany no mety ho didy avoakan’ny eny ambohidahy ? Hanitsy ary avy eo hanamafy ny vokatry ny CENI ve sa hanitsy ka hanova izany sa hiantso famerenana amin’ny ampahany na manontolo ny latsa-bato, sa mbola hangataka fotoana fanampiny hiasany sy handinihany ireo antontan-taratasim-pifidianana ? Ireo mpitsara ambony 9 mianadahy no tompon’ny teny farany, ary tsy misy tsindry na toromarika avy aty ivelany mihitsy fa miasa araka ny lalàna sy ny feon’ny fieritreretany tokoa izy ireo raha ilay fanambarana omaly no heverina. Etsy an-kilan’izay, misy ny olona efa mitady filaminana ka aleo hiasa ary hianatra amin’izay fa ampy ny resaka fidinana an-dalambe. Eo koa anefa ireo tsy manaiky fa tsy maintsy avoaka aloha ny marina, hajaina ny tena safidim-bahoaka. Tsy vitsy koa ireo mitazana, tsy te hiankavia sady tsy te hiankavanana. Fa ny azo antoka fotsiny aloha dia miditra anaty vanim-potoana manahirana indray i Madagasikara, ary na iza na iza filoham-pirenena ambaran’ny HCC fa lany eo dia mamono tena izy raha tsy miroso amin’ny fampihavanam-pirenena.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.