Mila famonjena!

Nankalazaina omaly ho an’ireo mpino


  • Alakamisy 26 Desambra 2024

Kristianina ny atao hoe fahaterahan’ny mpamonjy na Krismasy.

Ny datin’ny 25 desambra moa no nekena ho mahafaobe na hoe «universel» hanamarihana izany. Tsy dia handaniam-potoana iadian-kevitra be izany fa ny tena mahalasa saina izany amin’izao fotoana izao, raha i Madagasikara no resaka, dia tsy misy tsy miaiky angamba rehefa mety ho malagasy monina eto, eny, ireo mpanara-baovao eto amin’izao tontolo izao mihitsy aza hoe mila famonjena ankehitriny ity firenena ity. Latsaka anaty fahantrana lalina ny ankamaroan’ny malagasy. Asa hoe iza no sahy handà izany na hilaza indray koa ao aoriana kely ao hoe «Porofoy amiko fa mahantra ny malagasy!». Samy mahita ny Ariary nitotongana ka tsy nahatohitra ny Euro ho ambanin’ny 5000 Ariary daholo isika izao. Mahita ny filaharam-be amin’ny fanambazana tolotra sosialy avy amin’ity fitondràna ity na dia tao anatin’ny vanim-potoam-pifidianana aza. Hatramin’ny zaza sy ankizy no efa ampianarina milahatra fanampiana sosialy etsy Ambohijatovo etsy. Tsy azo atao ho ambanin-javatra, hoy ny mpamakafaka politika, ny korontana ateraky ny voka-pifidianana amin’izao fotoana izao. Misy sahy milaza hanao vy very ny ainy mihitsy na hisy rà mandriaka aza moa, tahaka izay hita tany Toliara. Ny tsy fandriampahalemana mitohy fa tsy misy manao fitsaharana na hoe «trêve» toy ny ataon’ireo mpanao politika. Tsy manao «trêve» toy izany koa ny fidangan’ny vidim-piainana sy ny fiondranana harem-pirenena toy ny volamena amina kilao maromaro tra-tehaka tamin’ny farany teo indray. Izany rehetra izany no ampahany fotsiny ihany ahafahana milaza sahady fa tsy mety milamina ary vao mainka ahiana tsy hilamina hatreto ny fiainam-pirenena. Mila famonjena!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT