Edito

Mila asa mivaingana


  • Talata 10 Febroary 2015

Hampahafatarina ireo solombavambahoaka rahampitso ny politika ankapoben’ny fitondram-panjakana, izy ity no fototra iaingan’ny asa rehetra, araka ny fampanantenan’ny filoha Hery Rajaonarimampianina tamin’ny propagandy ny taona 2013. Izao izany vao tena hiroso amin’ny asa amin’izay ity fitondrana voalohany ato amin’ny repoblika faha-4


ity fa dia mbola lany tamin’ny sangodim-panina politika ny herintaona. Mafimafy ny miandry satria eo aloha ny takaitra navelan’ireo rivodoza Chedza sy Fundi, izay tena nanimba zavatra maro manerana ny nosy. Eo koa ny fahasahiranan’ny vahoaka eo amin’ny fiainany andavanandro, resaka sosialy io. Mila vahaolana haingana ny fametrahana fandriampahalemana satria tsy misy asa famokarana vita raha mandry an-driran’antsy isan’andro vaky izao ny olona. Teboka 3 heverina fa faran’izay maika ireo ary mila asa mivaingana avy amin’ny governemanta fa tsy atao kabary fotsiny…sanatria. Rehefa milamina ireo dia tsy tokony hisy olana be ny sehatra hafa. Na izany aza miandry fandraisana fepetra hentitra avy amin’ny fitondrana Rajaonarimampianina ny rehetra momba ny fandripahana ny harem-pirenena amin’ny alalan’ny trafikana boaderozy sy ny fitrandrahana gaboraraka ny harena ankibon’ny tany tahaka ny misy any Andilamena amin’izao fotoana.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT