Mila andry iankinana!

Isan’ny fizaràna misy eo amin’ny tontolo politika eto Madagasikara moa


  • Alakamisy 16 Janoary 2025

ny fisian’ny atao hoe mpanohitra sy mpanohana fitondràna. Isan’ny fanontaniana mipetraka ankehitriny

ny hoe inona izany no antony hanohanana izao fitondràna izao? Atahorana hianjera ve no mila tohanana? Tsy ny vahoaka malagasy, izay fara-faha keliny ny 70%ny no misedra fahasahiranana sy fahantrana ve izao no mila tohanana na mila fanohanana ary tsy ny fitondràm-panjakàna ve izao no mila manohana ny vahoakany fa tsy izy indray no hoe mila tohanana? Andry moa no fanampin’anaran’ny filoham-pirenena malagasy. Maro ny niandrandra izany ho andry iankinan’izy ireo nanomboka ny taona 2009. Andry iankinan’ny vahoaka sy firenena malagasy. Izay, hoy ireo mpiaradia aminy fahiny niova lalana ankehitriny, no nifanarahana tamin’izany saingy io iaraha-mahita io anefa fa miha tsy mahita andry hanohana azy akory ny firenena malagasy ao anatin’izao fahantrana lalina sedrainy izao. Jerena ny lafiny toekarena, miha mafy ny olana mikasika ny JIRAMA. Vizana tanteraka indray koa ny Air Madagascar nefa ireo orinasam-panjakàna foana fahiny toy ny SIRAMA sy SOLIMA aza mba kasaina ho averina. Ny fizahantany miha tsy misy tokontaniny satria miondrakondrana fahatany ny harem-pirenena sy harena voajanahary toy ny volamena sy gidro ary sokatra. Mitotongana mandrakariva ny Ariary. Jerena indray ny lafiny sosialy. Mirongatra ny tsy fandriampahalemana. Midangana ny vidim-piainana. Mbola lavitra ezaka ny hisitrahan’izany mpiasa malagasy izany ny atao hoe asa mendrika sy mahavelona, hoy ireo sendika. Ny politika moa dia io mahakivy tanteraka io fa lesona efa nanimba ilay firenena navelan’ny tantara ihany no io vao mainka kolokoloina hampifandrangitra ny malagasy io. Ny mpanohitra mitaky ny mangarahara sy fahamarinana tamin’ny fifidianana. Ny solontenan’ny fitondràna mandrahona azy ireo miaraka amin’ny vahoaka amin’ny alalan’ny fampitandremana sy filazàna an-kolaka fa tsy misy mafy noho ny fitaovam-piadiana sy ny basy. Mila andry iankinana ny vahoaka sy ny firenena saingy andry tsy hita hiantsapazany hatreto no tazany ao anatin’izao firenena voalaza ho difotry ny fahantrana indrindra eto ambonin’ny tany izao!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT