Edito

Mila alamina !


  • Sabotsy 01 Oktobra 2016

Miha mafana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny. Raha fampihavanana no nandrandraina dia fampizarazarana no hiafarany.


Nifandona sy nifandatsa-dra ny mpitandro ny filaminana sy ny vahoaka tany Soamahamanina. Nanomboka nanao be fiavy koa ry zareo teo anivon’ny Sempama ny faran’ny herinandro teo. Tsy ny harena ankibon’ny tany fotsiny no mitady ho lasa tsikelikely fa hatramin’ny haren-tsaina ihany koa. Efa hisy indray mantsy ny raharaham-pitsarana mikasika ady tany eny Ilafy izay hifanandrinana teratany karana sy malagasy ny 5 oktobra izao. Toy izany koa ny zava-misy eny Alakamisy Fenoarivo eny. Manomboka miha mangotraka koa ny resaka ady tany amina resaka vakim-paritra iray eny an-toerana. Ny Malagasy variana amin’ny ady an-trano fa ny olona kosa mitavana izay rehetra azo atao tsoka ato amin’ny firenentsika. 10 miliara dolara dia ampy hanarenana indray ny toekarem-pirenena. Etsy an-daniny, misy koa ireo manantena fa afaka manavotra antsika amin’ny harena voajanaharintsika. Ny zava-misy anefa, tsy ny tompontany intsony no mitantana azy ankehitriny. Mila alamina !

Mirija   

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT