Edito

Mila alamina


  • Zoma 03 Septambra 2010


Ny propagandy mandritra ny fifidianana sy ny ady seza rehefa misy ny krizy. Ireo no tena hahafantarana ny ankamaroan’ny antoko politika eto Madagasikara, hatramin’izay. Tsy misy mihitsy ny ankoatra izay tahaka ny hoe : fitaizana ara-politika ny olom-pirenena sy fampianarana azy ireo ny maha zava-dehibe izany antoko politika izany eo amin’ny fiainan’ny firenena. Efa nahazatra an-dRamalagasy ny fahitana sy fandrenesana fananganana antoko na fikambanana volana vitsivitsy mialoha ny fifidianana. Izao dia lamaody indray tato anatin’ny herintaona sy tapany ny fananganana ankolafy na vovonana, na fivondronana, na sehatra ifanakalozan’ny antoko politika. Ary hatramin’izao dia mbola misy ihany izy io, ary tena ifandroritana mihitsy nandritra ny dinika teny Vontovorona ny hoe ny ankolafy ve no miady hevitra, sa ny antoko. Ary nandritra ilay dinika politika eny amin’ny CCI Ivato moa dia mba nifandrombaka nanao sonia ireo antoko efa ho 200 mahery izay nipoitra tampoka rehefa tsy dia re feo firy tao anatin’ny taona maro. Ka nisy resaka mantsy tamin’iny hoe : izay manao sonia ihany no mahazo seza, ka mety izay ve no nahamaro ny sonia ?

Noho izany rehetra izany dia tsy mahagaga raha voafetra ny vanim-potoana iainan’ny antoko politika eto amintsika, indrindra fa ireo mahazo fitondrana, satria tsy nisy afa tsy ny fakana fitondrana no tena laharampahamehana. Hany ka miara-mirodana amin’ilay nanangana azy avokoa ireo antoko politika nosokajiana hoe : lehibe teto, toy ny PSD, ny AREMA, ny UNDD, ny TIM. Samy nizarazara sy nipoirana lehibe mpitarika avy ireo antoko tsirairay ireo, ary hita ho tena nihena ny heriny. Ny mpanara-baovao politika dia efa mahatsinjo sahady fa hanara-dia ireo antoko lehibe fahiny ireo koa ny TGV najoron’i Andry Rajoelina. Ny anton’izany dia satria tsy manana fototra matanjaka ny antoko politika rehetra misy eto, ary ny mpitarika ihany no tena manana foto-kevitra ijoroana, fa ny mpikambana sisa rehetra dia manara-drenirano fotsiny ihany. Tsy tokony hahagaga, araka izany, raha tsy hamoaka vahaolana matotra sy mahomby ary maharitra hivoahana amin’ny krizy ny mpanao politika eto amintsika, satria tsy hoe nilatsahan’ny fanahy masina tampoka nandritra izao krizy izao izy ireo, ka niova tamin’ny fomba ratsy fanaony hatrizay.

Maro ary no resy lahatra ankehitriny fa tena ilaina ary tokony hatao laharam-pahamehana mihitsy ao anatin’ireo karazana dinika etsy sy eroa ny fametrahana sata sy lalàna mifehy ny antoko politika. Raha tsy tratra izany noho ny tsy fahampian’ny fotoana dia fitsipi-pitondrantena ho an’ny mpanao politika sy izay rehetra hilatsaka hofifidiana no tokony rafetina haingana, mba ialàna amin’ny tsy nety natao tany aloha. Ny olana mantsy raha tohizana amin’izao ny ady hevitra dia ny isan’ny seza fotsiny no mihena, na mitombo, fa efa ireo mpanao politika tsy nampahomby ny fitantanana ny firenena ihany no tafapetraka amin’izany seza izany. Raha fanovana tokoa no atao eto, dia ny mpanao politika sy ny fomba fanaovana politika no mila miova voalohany ary haingana.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

  • Hetseo ny herijika avy ato anatiny !
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Mafimafy ny tsio-drivotra

  • Mbola betsaka no mila alamina!
  • Talata 07 Aprily 2026

Fanimpiriny izany izao no nahenoana t

Hijery ny tohiny
FTT